Hametrahan’ny polisy « camera de surveillance » amin’ireo faritra mafana eto an-drenivohitra. Izay no nambaran’ny minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur gnénéral de police, Rakotondrazaka Arsène, omaly. Izany dia mba hahafahana manara-maso ireo jiolahy mpanao fanafihana eto an-drenivohitra. Hahatratra 1000 no isan’ireo fitaovana ireo, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny polisim-pirenena amin’ireo orinasa malala-tanana. Betsaka ireo olona mikaikaika andro aman’alina amin’ny afitsoky ny jiolahy na eo aza ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena amin’ny alalan’ny hetsika fisafoana izay iarahana amin’ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany. Mitam-piadiana rahateo ny ankamaroan’ireo jiolahy amin’izao fotoana izao. Mahavelombolo ny vahoaka tokoa izao fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Filaminana Anatiny izao. Efa nisy fikasana toy izao koa tamin’ilay fikasana hoe camera de surveillance hialana amin’ny fitohanan’ny fiara, ny volana desambra 2013 lasa teo izay fiaraha-miasa amin’ny kaominin’Antananarivo. Tsy hita anefa izany hatramin’izao. Mitaky asa avy hatrany, araka izany, fa tsy vitan’ny resaka ambony latabatra fotsiny.
J.C
Écrit par Taratra |
Samedi, 15 Février 2014 06:45 |
20 andro sahady izay no nidirana amin’ny Repoblika IV. Nahavitan’ny filohan’ny Repoblika vaovao fianianana re e! Mby aiza? Izao iaraha-mahita na tsy mbola misy hita izao... Tsy hitan’ny olom-pirenena tsotra na ny vahoaka izay holazaina. Na ny ireo mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika aza, tsy nahampahafantarina mivantana izay fanendrena azy ireo ara-panjakana: firy, iza avy... ? Iza, ohatra, no sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny talen’ny kabinetra? Aleo miandan-ko reniny toy izay mitsatsaingo-ko vantony. Na maika tratran’ny miadana, maika tsy faingana. Ny ela fievoka, may lamba. Sao mby amin’ny vava tsy ambin’ny sasany hoe: ny fakon’Antananarivo aza, tsy afaka. Inona, hono, ny fiovana eo? Miandry sy manantena fanovana fatratra ny vahoaka... Mbola za-dratsin’ny fanankinana ny zava-drehetra amin’ny filohan’ny Repoblika? Hatramin’ny fakon’Antananarivo avy... Tsy hita izay ataon’ny tomponandraikitry ny kaominina? Misy sy mitohy ny ezaka, fa tsy afa-manoatra... Mila ny tantsoroky ny faritra, ny minisitera, ny fanjakana foibe? Endrika itarafana an’Antananarivo sy i Madagasikara ny fakofako, ny lalana potika, ny fisaritahan’ny Renivohitra. Dia misy koa ny manao vava ratsy hoe: ny fakofako hita maso izao aza tsy afaka, vao mainka ny fakofako navelan’ny Tetezamita nandritra izay dimy taona izay: fakofako politika, tsy fanarahan-dalàna, fandrobana, fampihorohoroana lava... Mila tanana sy fifarimbonana koa? Izay no mahaela fikenona ny fitondrana vaovao. Tsy misy vaovao azo lazaina hatramin’izao. Ny eo ihany aloha no eo... Azo tarafina amin’izao ny fomba fiasa? Na ny hazakazaka tsy mahalasa lavitra... Na izany aza, fantatra fa tsy maintsy manadio tokotany sy trano alohan’ny iasana, na raha vao mifindra trano. Ela sy sarotra ny manala ny fakofako amin’izany? Ny fako eto Antananarivo aza, hono, tsy afaka, araka ny vavan’ny sasany may, maika...
Rafaly Nd.
Écrit par Courrier |
Vendredi, 14 Février 2014 08:41 |
Leon’ny tondra-drano miverimberina ny mponina amin’ny faritra eto an-drenivohitra. Nomarihin’ny sefom-pokontany tao Antohomadinika IIIG Hangar, Ralivarison Louis Guitta anefa, fa ho olana zary monina eto Antananarivo-Renivohitra ny fiakaran’ny rano any anaty tanàna raha tsy miara-midinika ny fokontany sy ny kaominina ary ny Samva. “Manao drafitra ambony latabatra fotsiny, mazàna, ny teknisianina fa tsy mahafantatra ny zava-misy marina eny an-toerana akory”, hoy izy. “Ambinambin-javatra ny tsinkafona fa tsy fototr’olana nefa anompanana ampahany tetibola be”, hoy io sefom-pokontany io.
Tototra fa tsy tsentsina
“Tokony hojerena akaiky ny fomba hamerenana amin’ny laoniny ny tatatra be, izany hoe, ny lakandranon’Andriantany mihitsy”, hoy Ravaliarison Louis Guitta ihany. Tsy ho vitan’ny an-kisokisokitra madinika fanao amin’ny asa tana-maro intsony ny fanarenana, araka ny heviny. Tototra ka nihamarivo ny lakandrano vokatry ny tsy fisian’ny fikojakojana hatrany am-boalohany. Fitaovana vaventy vao hahefa ny asa satria tsy maintsy angadina lalina ny fanambaniny noho ny tany efa miakatra ka misakana ny fikorian’ny rano. “Io olana io mihitsy no mahazo ny fokontany eto amiko izao satria tsy lalina intsony ny lakandranon’Andriantany ka very mankao amin’ny lakandrano C3 mandavantaona ny rano”, hoy izy. “Handray ny ambin-drano mihoatra amin’Andriantany fotsiny anefa no asan’ny lakandrano C3 rehefa tondraka be ny rano”, hoy izy. Nivadika ho lakandrano mamoaka rano hiditra eran’ny tanàna indray, taty aoriana, io C3 io, noho izy efa feno rano andavanandro fa tsy mahatanteraka ny asa nandrasana aminy intsony.
Manou
Écrit par Taratra |
Vendredi, 14 Février 2014 07:38 |
Hanamarika ny « Andron’ny mpifankatia » ny kaominina Antananarivo, anio. Hotolorana raozy ireo mpifankatia 200 sendra ny mpizara izany voninkazo izany. Hitety ireo zaridaina ny mpiasan’ny kaominina. Manomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 10 ora maraina no anjaran’ireo mpifankatia eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpifankatia etsy amin’ny zaridainan’Analakely amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 11 ora maraina. Anjaran’ireo mpifankatia eny amin’ny zaridainan’ny Marais Masay no hotolorana raozy manokana amin’ny 11 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro.
Tatiana A
Écrit par Les nouvelles |
Jeudi, 13 Février 2014 09:47 |
Les six arrondissements de la capitale sont actuellement concernés par l’état délabré des routes en cette saison des pluies. Les Tananariviens ne cessent de se plaindre car certains axes sont devenus impraticables.
Malgré les efforts déployés par la CUA, par le biais de l’équipe de la direction du département des travaux et de la maintenance des infrastructures, les usagers de la route ne cessent de se plaindre de l’actuel état des infrastructures routières de la capitale. Citons par exemple le cas de l’axe Ambodimanga-Besarety menant à l’hôpital de Soavinandriana où les taxibe se sont sentis obligés d’emprunter le circuit d’Avaradoha car deux véhicules de transport se sont retrouvés bloqués en passant par ce grand trou plein de boues.
200 millions d’ariary par kilomètre
La situation est la même au niveau de l’axe d’Andohanimandroseza où les riverains n’ont pas mâché leurs mots à l’endroit de toutes les autorités concernées par la construction et la réhabilitation des infrastructures routières dont la CUA et le ministère des Travaux publics (MTP). Tout cela, sans oublier le circuit menant à Ambohimanarina.
Interrogé sur ce sujet, le directeur du département des travaux et de la maintenance des infrastructures, Zo Christian Andriantsilavo, a souligné que 35.000 m², soit 7 km de routes sont en état de dégradation totale dans la ville d’Antananarivo. Le coût des travaux est estimé à 1,4 milliard d’ariary soit 200 millions d’ariary par kilomètre.
Et ce responsable de poursuivre que la faisabilité des travaux de réfection de ces axes sont en cours d’étude figurant parmi des priorités de la CUA, avec l’appui du MTP et des entreprises Colas et Smatp. Des techniciens sont venus évaluer les dégâts sur le terrain à charge. Il appartient aux entreprises de décider des mesures à prendre quant à la réhabilitation de cet axe routier. Le problème réside au niveau du financement servant à l’approvisionnement des matériaux nécessaires pour commencer les travaux.
Prioriser le réseau d’assainissement
Selon le premier vice-PDS, Olga Rasamimanana, le problème réside aussi dans le réseau d’assainissement. C’est pourquoi il s’avère aussi indispensable d’assainir d’urgence les canaux d’évacuation. Les travaux d’assainissement avancent à petit pas alors que la CUA a bénéficié de l’appui financier de la région Analamanga et de l’Union européenne sans négliger l’assistance du Pnud. A vrai dire, tant que les canaux d’évacuation ne sont pas opérationnels, les travaux de réhabilitation des routes sont inutiles, a poursuivi le numéro un de la CUA.
Il est important de rappeler que l’assainissement d’Antananarivo est actuellement devenu une affaire de tous. Il s’agit de mobiliser tous les moyens pour le transport ainsi que le dégagement des ordures ménagères. Vient ensuite la réparation d’urgence des routes et voies urbaines qui font tellement souffrir les usagers. Le conseil du gouvernement du 4 février dernier a aussi mentionné l’arrêt immédiat de tous les remblais dans la région Analamanga, en particulier dans la plaine d’Antananarivo. Quant aux Tananariviens, l’heure est au civisme en misant sur le respect de la propreté et l’hygiène de la ville afin d’éviter de tels dégâts.
Noro Niaina
Écrit par Courrier |
Jeudi, 13 Février 2014 08:52 |
Les rues de la capitale sont fortement endommagées depuis quelques mois, situation qui s’est aggravée avec l’arrivée de la saison des pluies. Le mécontentement des usagers de ces rues a fini par arriver aux oreilles des responsables. C’est pour cette raison qu’a été décidé durant le conseil de gouvernement de mardi dernier que 3500 m² de travaux vont être priorisés pour pallier aux trous et nids de poules. Cette décision a été prise suite à une concertation entre les responsables du ministère des travaux publics et de la météorologie et ceux de la commune urbaine d’Antananarivo.
Avec ce projet gouvernemental, pour réparer les routes et les voiries urbaines de la ville d’Antananarivo, les dégâts pourraient être limités. En effet, plus il n’y a pas de réparation, plus la dégradation de ces rues devient de plus en plus grave rendant ainsi certaines rues de la capitale impraticables si on ne cite que les rues se trouvant aux alentours de 67 ha.
Par ailleurs, la détérioration de ces dernières entraîne également par la même occasion un embouteillage monstre presque partout dans la capitale. Même si les polices de la route font de leur mieux pour rendre la circulation plus fluide, il n’y a rien à faire. D’autant plus que depuis quelques années le nombre de véhicules se trouvant à Antananarivo Renivohitra se multiplie de jour en jour.
La vice-présidente de la délégation spéciale, Olga Rasamimanana l’a bien précisé dernièrement que le problème de la circulation à Antananarivo Renivohitra est causé principalement par le manque d’infrastructure. Les infrastructures existantes sont destinées pour seulement 400 000 habitants alors qu’actuellement le compte s’élève pour 1 500 000 habitants recensés. A ces derniers s’ajoutent les quelque 1 000 000 de personnes, habitants des communes périphériques.
Dans son communiqué, le gouvernement a également exhorté les autorités locales dans les autres villes présentant la même situation que celle de la capitale d’être plus vigilantes sur les causes réelles de l’aggravation des dégâts des eaux. Il en est ainsi de l’obstruction des canaux de voirie (des eaux de pluies et eaux usées) voir même des constructions illicites sur les zones des canaux de déversement et bassins d’écoulement. Ainsi selon encore ce communiqué, toutes les communes urbaines de Madagascar doivent s’inspirer du modèle de sensibilisation citoyenne et de lancer un appel vers les entreprises locales, afin de préserver et la santé publique et l’assainissement des voiries locales.
Dimisoa
Écrit par Taratra |
Jeudi, 13 Février 2014 07:48 |
Nanomboka ny asabotsy teo, nanala ny fako misavovona eto an-drenivohitra ny Samva. Hanampy ny tomponandraikitra amin’ny fanomezana fitaovana hampiasaina ny orinasa maromaro : Colas Madagascar, Sogea Satom, SMATP, CGC, Sinohydro ary ny Chinarailway. Efa nisy ny fivoriana tao amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Asa vaventy nataon’ny mpitantana ireo orinasa misahana ny asa vaventy ireo sy ny Samva, ny kaominina, minisitera voakasika ary ny fiadidiana ny Repoblika, ny 6 febroary lasa teo. Nanaiky ny hanampy amin’ny fanesorana ny loto sy ny fako izy ireo ka hampahafantarin’ny Samva an-tsoratra ny filana rehetra. Nozaraina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta farany teo izany vaovao izany. Tranga efa niainana hatramin’ny volana novambra 2013 no ho mankaty ny fofona ratsy sy ny fahasorenana ary ny aretina ateraky ny fako mihandrona am-bolana maro. Betsaka ny sampandraharaha nilaza fa nanome vola sy fitaovana ny kaominina hanalana fako fa tsy hita taratra mihitsy ny vokatra. Mahamenatra raha ny fako avy dia iandrasana orinasa vahiny vao ho afaka. Ankoatra ny fako, tapaka fa hamboarina koa ny lavaka rehetra mirefy 3 500 metatra toradroa miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Ampiarahana amin’izay ny fitsirihina ny antony miteraka ny tsy fikorinan’ny rano manimba vetivety ny lalana.
Vonjy
Écrit par Les nouvelles |
Mercredi, 12 Février 2014 10:29 |
Le comité national du patrimoine (CNP) joue la carte de la transparence. Il vient de lancer son site internet dans lequel on peut découvrir, entre autres, toutes les informations concernant les travaux de réhabilitation du palais de Manjakamiadana….
Le site internet du comité national du patrimoine (CNP) – www.cnp-madagascar.org - a été présenté à la petite famille de la presse malgache, hier à Andafiavaratra. « Les toutes premières pages de ce site font la part belle aux travaux de réhabilitation du palais de Manjakamiadana. Ceci est compréhensible dans la mesure où ce projet a été la mission prioritaire assignée au comité », publie Mireille Mialy Rakotomalala, la présidente, sur la page d’accueil du nouveau site internet. Accessible au grand public, cette toile a surtout été conçue par souci de « transparence mais surtout afin de permettre à tout un chacun de saisir l’importance des travaux accomplis et à venir, jusqu’à leur achèvement, afin que ce monument, ce site historique prestigieux, retrouve sa splendeur d’antan », selon la présidente du comité.
Les travaux déjà réalisés
Il permettra ainsi de suivre l’évolution des travaux de réhabilitation du palais de Manjakamiadana. Dans la rubrique « projets en cours », on découvrira, en résumé avec des illustrations à l’appui, les travaux déjà réalisés dans le cadre de la reconstruction du Rova d’Antananarivo : Il s’agit surtout de la réalisation de la première et la deuxième phase des travaux. On y présente également en quelques lignes les travaux qui restent encore à faire, les troisième et quatrième phases. En marge de la présentation de ce site internet, les membres du CNP ont indiqué que toutes les études techniques nécessaires qui permettront de poursuivre les travaux de reconstruction du palais sont désormais fin prêtes. « Nous n’attendons plus que le déblocage du financement pour lancer les appels d’offre et les travaux pourront à nouveau reprendre », a indiqué Noely Ranaivoarimanana, coordonateur national du CNP. Le côut total des travaux restants est alors estimé à 18 milliards d’ariary, selon une source au courant du dossier.
Au nom de la transparence
Au nom de la transparence, le site permet aussi de découvrir la liste des personnes physiques ou morales ayant contribué financièrement ou matériellement, à travers notamment le fonds de réhabilitation du Rova (« Asa fanarenana ny Rova », ndlr), à la reconstruction du palais de Manjakamiadana. Ceci devra ainsi répondre à la demande de quelques institutions, dont le ministère de la Culture et du patrimoine, sur la nécessité de transparence quant aux fonds collectés et aux dépenses engagées dans le cadre de la restauration du palais de la Reine. Ce nouveau site internet du CNP informe également davantage, dans ses rubriques sur les principales missions, projets et raisons d’être du comité ainsi que sur d’autres articles inédits relatifs au patrimoine. Rafolo Rakotondravony, membre du comité d’expliquer en effet que le CNP sert surtout d’ «interface », entre l’Unesco et les institutions de l’Etat malgache. «Auparavant, l’Unesco était contrainte d’entrer en relation avec les départements ou ministères concernés par les travaux et projets dont elle s’occupe dans chaque pays, alors, elle les a encouragé à mettre en place chacun une institution qui lui servira d’intermédiaire », a-t-il précisé.
Vonjy M.
Écrit par Les nouvelles |
Mercredi, 12 Février 2014 10:22 |
Mieux vaut tard que jamais. Les travaux ayant commencé samedi dernier, ce n’est qu’hier que le gouvernement a approuvé la communication relative aux mesures adoptées pour le dégagement en urgence des déchets et sur l’entretien urgent des routes et voiries urbaines de la ville d’Antananarivo. Cette décision fait suite à la réunion technique entre les responsables compétents et les entreprises de bâtiment et travaux publics œuvrant dans le pays (Colas, Sogea, Spatp, CGC, Sinohydro, Chinarailway), du 6 février dernier.
Ces derniers ont accepté à l’unanimité d’apporter leur contribution au dégagement des ordures ménagères dans la capitale. Concernant la réparation des routes et voiries urbaines de la ville, il a été convenu de prioriser près de 3.500 m² de travaux pour combler les trous et autres nid-de-poule, sources d’embouteillages et d’accidents urbains.
Le ministère des Travaux publics et de la météorologie et la commune urbaine d’Antananarivo (CUA) comptent analyser les causes réelles de l’aggravation des dégâts des infrastructures en vue d’apporter des solutions adéquates. Notons que les destructions peuvent être liées à l’obstruction des canalisations des eaux usées, aux constructions illicites sur les zones des canaux de déversement et bassins d’écoulement,…
Fahranarison
Écrit par Taratra |
Mercredi, 12 Février 2014 07:17 |
Volana maromaro izay no niresahana ary tsy maintsy niresahana ny havoretrana sy ny faharatsian’ny tanànan’Antananarivo, tototry ny fako, difotry ny rano maloto, mandeha amin’ny lalana feno lavadavaka. Hatramin’izao, na eny an-dalambe na any anaty fiara fitateram-bahoaka na eo anivon’ny fampahalalam-baovao, mbola mitohy ny adihevitra mikasika ity olana, sady maharatsy endrika ny Renivohitr’i Gasikara no mitera-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka, ity. Mitaraina ny vahoaka, manan-kambara koa ny mpitantana ny tanàna sy ny tompon’andraikitra ambony. Fitarainana sy fanambarana mijanona amin’ny resa-be ihany anefa izany ? Tsy tambo isaina ny fanentanana ny mponina tsy hanentsina ny lakan-drano amin’ny fako avy any an-tokantranony any sy hanaja ny fahadiovana ka tsy hanipy izany eny amin’izay alehany rehetra eny. Raha ny tranga mbola miverina amin’izao fotoam-pahavaratra izao anefa, toa tsy nisy nanaraka izany. Avy eo, samy mahay miresaka sy manao resabe amin’ny fanomezan-tsiny sy ny fanilihana andraikitra. Ambara fa ny fanotofana tany ny lemaka manodidina ny tanànan’Antananarivo no anisan’ny mampiakatra ny rano ka mandifotra ny faritra iva rehefa be ny rotsak’orana. Mbola nijanona tamin’ny resabe fotsiny koa io ? Tsy norarana na tsy nisy sahy nandrara ny fanotofana tanimbary. Fantatra fa an-dalana ny fanentsenana ireo lavadavaka « mandravaka » ny araben’ny renivohitr’i Madagasikara. Io ilay « tiptop », araka ny ahafantarantsika mianakavy azy. Andeha tsy asiana resabe ny amin’izay. Io, rahateo, no fepetra haingana indrindra. Na izany aza, tokony horesahana ihany ny vahaolana maharitra, ny fanavaozana tanteraka ireny lalana ireny. Tsy vitsy ny miandrandra izany, saingy azo eritreretina sahady ny hisian’ny sokajin’olona sasany tsy mahay afa-tsy ny be resaka sy manao resabe ny mety ho vokatr’izany, toy ny fahatapahan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanan’ny fivezivezen’ny fiara. Mihamanakaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana, tsy olona be resaka fotsiny na manao zavatra miteraka resabe no andrandraina fa olona miasa, hanatsara sy hampivoatra ity fitaratr’i Madagasikara ity.
Landy Ratsimanetrisoa.
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire