lundi 10 février 2014

Semaine du 03 février 2014 // paru dans newsmada.com

Ramassage d'ordures : l’opération «Coup de main» débute ce jour
Écrit par Les nouvelles   
Samedi, 08 Février 2014 09:07
Une action concrète qui permettra à la population tananarivienne de respirer un peu plus d’air pur. En fait, un partenariat conclu avec des grandes entreprises de constructions locales et étrangères va garantir le ramassage d’ordures dans la capitale, en une semaine. 

Une toute première dans l’histoire de la ville d’Antananarivo ! Il se peut que le ramassage d’ordures dans la capitale fasse objet d’une mobilisation nationale. Ce qui a conduit le gouvernement à ordonner, mardi dernier, ses départements ministériels à prendre des mesures urgentes sur le ramassage d’ordures et la réhabilitation des infrastructures routières de la capitale.
Le ministère des Travaux publics a répondu positivement à cet appel, en mobilisant les entreprises de constructions présentes dans le pays à prêter main forte à la commune urbaine d’Antananarivo (CUA). Faute de moyens financiers, cette dernière n’arrive plus à assumer convenablement ses responsabilités. Les montagnes d’ordures, non enlevées depuis dès mois, et débordant les bacs en sont la preuve.
« Le plaidoyer auprès de ces entreprises, entre autres, Colas, Smatp et Sogea a porté ses fruits car, sans plus tarder, l’opération dénommée « Coup de main » débute dès ce jour ». C’est ce qu’à affirmé hier le ministre des Travaux publics, le colonel Boto Manovatsara. L’installation des engins se fera dès ce jour, tandis que les opérations proprement dites débuteront à partir de ce lundi. Cependant, il faut souligner que ces entreprises fournissent tout simplement les moyens matériels pour réaliser cette opération, mais le carburant nécessaire est à la charge de l’Etat.
Selon les explications du ministre Boto Manovatsara, « les travaux d’interventions d’urgence dureront une semaine, ce qui fait qu’au-delà de cette échéance, la CUA et la Samva doivent prendre le relais».

Fahranarison

67 ha : « Marobe ny tokantrano mangalatra herinaratra », hoy ny Jirama
Écrit par Taratra   
Samedi, 08 Février 2014 07:40
Olana iray diavin’ny Jirama koa ny halatra herin-jiro ataon’ny tokantrano maro, mahatonga ny fahatapahan-jiro ankehitriny eto an-drenivohitra. Tsy misy intsony ve ny toe-tsaina maha olom-pirenena, manampy trotraka ny olana efa diavin’ity orinasam-panjakana ity? 
Mitaraina ! Tato anatin’ny herinandro maro, tapaka foana ny jiro eny amin’ny faritry 67 ha sy ny manodidina. Fisehony, manomboka amin’ny 7 hariva ary tsy miverina raha tsy ny ampitso maraina. Raha ny alin’ny alakamisy teo anefa, tapaka ny jiro tamin’ny 7 hariva saingy tsy niverina mihitsy hatramin’ny omaly antoandro, nahazoanay ny vaovao. Rehefa nanontaniana ny tao amin’ny Jirama, nitsotra ny tompon’andraikitry ny serasera, fa olana goavana ny eny 67ha satria marobe ny tokantrano mangalatra herin-jiro, misintona mialoha ny kaontera, ka tsy ampy intsony ny tanjaka. Izay no mahatonga ny fahatapahana manomboka amin’ny 7 ora hariva satria maro ny mpampiasa herinaratra.

Sarotra ny miady amin’ireo mpangalatra
Sahirana ny Jirama manoloana izany, satria raha tonga izy ireo midina ifotony, efa mahafantatra ireo ka averiny amin’ny laoniny ny tariby mamatsy ny herinaratra.
Ankoatra ireo, misy fahasimbany ny milina ao amin’ny tranon-jiro eny 67 ha. Fitaovana vonjimaika no napetraka ao, fa hosoloina ny tena mifanaraka izany amin’ny alahady izao. Na izany aza, nanamafy ny Jirama fa tsy misy idiran’ny fahatapahan’ny herinaratra, vokatry ny halatra ataon’ireo tokantrano eny 67 ha izany fanamboarana izany.
Nahatsikaritra koa ny mpanjifa amin’ny ankapobeny eto Antananarivo, fa tapatapaka foana ny herinaratra na tsy misy kotroka na orana aza manomboka amin’ny faran’ny tolakandro hatrany amin’ny 11 ora alina any. Izany hoe, noho ity halatra herin-jiro no mahatonga izany fa tsy delestazy na noho ny oram-baratra ?

Njaka Andriantefiarinesy

Maika tsy faingana, maika tratran’ny miadana...
Écrit par Taratra   
Samedi, 08 Février 2014 07:00
Mandry ve ny tanàna? Raha tsy hijery afa-tsy ny renivohitr’i Madagasikara: Antananarivo... Talaky maso, be vahiny mpangarangarana sy mpitatitra. Loza iray, loza roa... Fako tsy fako, lalana tsy lalana, mpanendaka tsy mpanendaka... Izany sisa Antananarivo. Manginy fotsiny ny jiro tapaka lava, ny fisaritahan’ny fifamoivoizana, ny fandrobana harem-pirenena, ny tsy fifampitokisana...  Lova navelan’ny Tetezamita? Haingana sy lehibe ny fitambotsorana sy fahapotehana tao anatin’ny dimy taona. Saika eo amin’ny lafiny rehetra io: fitondrana sy politika, toekarena sy  sosialy, fiaina sy fifandraisana. Hatrany amin’ny toe-tsaina sy toe-panahy aza... Ny famotehana sy fanimbana an-toerana no be sy maharitra noho izay hoe fananganana zava-bita ihamboana etsy sy eroa.
Miandry ve ny tanàna? Miandry fanovana, fanarenana, fivoarana... Mbola vao maka toerana ny fitondrana vaovao, manadio sy mandamin-dapa. Raha ela fievoka, may lamba. Mandra-pitrangan’izay hitranga, mbola misy ny tsy maty voalavo an-kibo, zatra ny lalana ambanin’ny tany na lalam-poza: taman-dratsin’ny gaboraraka, manao amboletra amin’izay atao rehetra,  tsy manara-dalàna...
Mila tena hampiharina, tsapa sy iainan’ny rehetra, ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna amin’izay. Hatramin’izay, tsy hitan’ny vahoaka izay hotahafina amin’izany, fa samy manao ny ataony. Izay no mahatonga ny fitsaram-bahoaka: tsy matoky mpitondra, leo mpanao politika. Tsy mangarahara koa izay miseho sy atao, ankifonofono sy saika ao anaty tahotra sy horohoro avokoa.
Amby aiza ny hoe fanjakana matanjaka? Matanjaka fa tsy mpanao jadona; azo itokisana ary fialofan’ny kely sy ny osa, fa tsy mampihorohoro lava. "Raha tsy fantatrao izay haleha, jereo hoe avy aiza ianao", hoy ny ohabolana afrikanina izay. Mbola iadian-kevitra sy resabe indray ve hoe inona no maika, tokony hatao, tsy maintsy atomboka amin’izao? Sao ela fidona, na maika tratran’ny miadana...           

Rafaly Nd.

Fanotofana tany : misy mihaino ve ny fandraran’ny governemanta ?
Écrit par Courrier   
Jeudi, 06 Février 2014 09:26
Tsy mbola voaparitaka araka ny tokony ho izy, angamba, ny fanapahan-kevitra vao noraisin’ny filan-kevitry ny governemanta, nisakanana ny fanotofana tany eto amin’ny faritra Analamanga, indrindra ny ato anatin’ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra.
Mitohy foana mantsy ny asa fanotofana ireo honahona manamorona ny lalam-baovao miainga eo Ankorondrano hatrany amin’ny faritry ny 67ha, mandalo an’i Tsaramasay sy Ankazomanga iny, hatramin’ny halina. Tapitra voafefifefy ny sisin’arabe amin’iny, hanatanterahana izany asa izany. Tsy fantatra aloha na nahazoana alalana avokoa izy rehetra ireny na tsia fa amin’ny alina ny sasany no totofana.
Vaky taraina noho ny firaondraonan’ny fiarabe mivezivezy tsy an-kiato mandra-maraina, mitatitra tany amin’ireo faritra ireo ny mponina satria tsy misy hatoriana mihitsy isaky ny alina, hoy izy ireo. Ny ao Ankorondrano-Andrefana sy Tsaramasay no tena miasa alina, araka ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana fa amin’ny antoandro, matetika, no anotofana ireo tanimbary sy honahona manamorona ny lalam-baovao hiditra eny amin’ny 67 ha.
« Mitera-pahavoazana ho anay mponina manodidina ny fanotofana tany tsy misy farany toy izao satria tsy misy toerana hihandronany intsony ny rano ka miakatra an-tanàna », hoy ny fokonolona teo Tsaramasay, omaly. Efa ela no nahenoana fa efa tapitra ny faritra azo totofana eto Antananarivo, hoy izy ireo, ka tsy fantatra na nahazoan-dalana ireto natao aty ireto na tsia. Tsy ho takona afenina tamin’ny tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany, na farafaharatsiny efa henony kosa, ny fisian’izao toe-javatra izao, hoy ireto mponina ireto, ka angamba nisy nanome alalana ihany ny mpanototra tany matoa tsy voaenjika. Mitaky fandraisana andraikitra ho fiarovana ny fiantraikan’ny fanotofana tany ihany izy ireo, na izany.

Manou

Antananarivo : handroaka fako ny fanjakana
Écrit par Taratra   
Jeudi, 06 Février 2014 07:54
Tapaka, nandritra ny filankevitry ny governemanta natao ny talata teo teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, fa handray an-tanana ny fandaminana ny fitaterana ny fako ny fanjakana. Tsy vitan’ny kaominina irery intsony ny fifehezana ny fako. Manaporofo izany ny fivangongoana miteraka fofona ratsy eto an-tanàna.
Hanetsika ny tompon’andraikitra rehetra ny fanjakana foibe amin’ny fitaomana ny fako. Tsy voalaza mazava kosa ny paikady entina. Olana tsy hahafahana mandraoka ny fako ny tsy fahampian’ny kamiao sy ny tsy hahatafidiran’izany intsony eny Andralanitra.
Hojeren’ny fanjakana akaiky ihany koa ny fanamboarana vonjimaika ireo lalana potika. Anjaran’ny kaominina ihany koa izany saingy tsy vitany. Mameno ny arabe ny lavadavaka, miteraka fitohanana lavareny.
Ankoatra izay, hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fanotofana rehetra eto Analamanga indrindra indrindra amin’ny lemak’Antananarivo.
Samy handray ny andraikiny ny minisitera voakasik’ireo sehatr’asa rehetra ireo.

Tatiana A

Ordures : évoquées en conseil de gouvernement
Écrit par Les nouvelles   
Mercredi, 05 Février 2014 10:10
Même si cela ne relève pas de sa compétence, le gouvernement a réagi face au problème relatif à l’assainissement de la capitale. Et ce n’est pas étonnant puisque toute la population commence à payer le prix fort de l’insalubrité de la ville par les diverses maladies qui s’y rapporte. En effet, une communication orale relative à l’assainissement de la ville d’Antananarivo a été faite lors du conseil de gouvernement d’hier.

Il a été question de mobiliser  toutes les ressources possibles, pour assurer le ramassage et le transport des déchets et ordures ménagers vers le dépôt d’Andralanitra. Le conseil de gouvernement d’hier a également tranché sur la réparation d’urgence des routes et voies urbaines, ainsi que l’arrêt immédiat de tous remblais dans la zone d’Analamanga et en particulier dans la plaine d’Antananarivo.  Les ministères concernés par ces mesures ont été invités à prendre les dispositions correspondant à leurs responsabilités.

Concernant le problème de ramassage d’ordures, beaucoup de questions se posent. Le premier responsable au niveau de la commune urbaine d’Antananarivo (CUA) a récemment avancé un problème de financement, dû au faible retour des impôts au niveau de la commune. Cependant, il ne faut pas oublier qu’au mois de décembre dernier, la région Analamanga a accordé à la CUA un montant de 60 millions d’ariary pour que cette dernière puisse accélérer le ramassage d’ordures dans la capitale. Reste à savoir si ce fonds a été déjà épuisé, en deux mois d’interventions.

Fahranarison


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire