lundi 2 décembre 2013

Semaine du 25 novembre 2013 // paru dans News Mada

Eto Antananarivo : mitohana tanteraka ny fifamoivoizana

Écrit par Taratra   
Samedi, 30 Novembre 2013 07:31
Nanomboka omaly, nitohana vao maraina ny fifamoivoizana teto Antananarivo. Saika tara avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra sy ny mpiasa. Maro sosona ny antony mahatonga ny fitohanana. Voalohany amin’izany ny propagandy izay hivorivorian’ny olona amin’ireny voalaza ho toerana misy ny kandidà ireny. Amoron-dalana ny ankamaroan’izany toerana izany, indrindra amin’iny Ambohimanarina rehetra iny.
Eo indrindra koa ny fahasimban’ny lalana eto Antananarivo. Lavaka etsy sy eroa, mitandrina fatratra ny fiara mandeha amin’izany lalana izany ka manampy trotraka ny fitohanana efa misy. Ahitana ireo lavaka avokoa ny ankamaroan’ny tanàna, tsy mbola hita taratra hatreto ny fanamboarana ataon’ny kaominina mahakasika izany.
Eo ihany koa anefa ny fetin’ny krismasy izay fotoana mampiakatra ireo any ambanivohitra eto an-tanàn-dehibe miantsena. Tsy lazaina intsony ireo mpivarotra amoron-dalana izay tena gaboraraka tanteraka.
Nanao izay saim-pantany ihany koa ireo fiara mpitatitr’olona, omaly, nanoloana izay fitohanana izay. Vitsy ireo niditra an’Analakely fa mihodina am-pandehanana avokoa. Lasibatra hatrany ireo mpianatra sy mpiasa, indrindra raha milatsaka ny orana.
Tatiana A


CUA- Olga Rasamimanana prend les rênes 

La secrétaire générale, Olga Rasamimanana assurera désormais la fonction de l’ancien président de la délégation spéciale (PDS) de la commune urbaine d’Antananarivo (CUA). Technicienne de longue date au niveau de la CUA, durant son mandat, elle a fixé trois objectifs principaux qui ne sortent pas de la devise, ville constamment propre, ville organisée et ville sécurisée.
Cela passe par la régularisation des embouteillages, surtout à l’approche des fêtes de fin d’année, l’amélioration de la source de revenu de la commune et le ramassage des ordures, qui dégagent leur puanteur actuellement dans chaque quartier de la ville. 

Ambodivona-Antananarivo : nofefen’ny milaza azy ho tompony ny tsena

Écrit par Courrier   
Vendredi, 29 Novembre 2013 08:13
Nikorontana vokatry ny famefen’ny olona nilaza ho nahazo ny tany ara-panjakana, ny teny amin’ny faritra fiantsonan’ny fiara mpitatitra sy ny mpivarotra kojakoja efa niasa, tao Ambodivona, omaly. Nitongavan’ny vadintany nitondra polisy iray kamiao, vao maraina teny, ireo olona nanao asa fivelomana tamin’io toerana io, ka notereny horavana mandra-pahantoandron’ny andro ny trano rehetra niorina teo. Namefy io faritra voalaza io, avy hatrany, ny mpiasa nirahin’ny mpaka ny tany ka tsy nisy afaka nivarotra intsony tao. Efa niakatra fitsarana natetika ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny fokonolona izay nitaraina ho noresena hatrany. Nitsipaka ny fanesorana azy anefa ny olona tao Ambodivona, omaly maraina ary saika hisy korontana mihitsy, saingy voasoroka ihany noho ny fanelanelanan’ny filoha lefitry ny vaomieran’ny fananan-tany ao amin’ny CST, Alain Ramaroson.
Tanin’ny kaominina
Nohazavain’ireo mpampiasa ny toerana fa an’ny kaominina hatramin’izay io tany io, ary misy taratasy manamarina izany ka tsy tokony ho lasa fananan’olon-tokana. Efa nihoatra ny 30 taona nivarotana teo amin’ity tany ity ny sasany amin’ireo hoesorina ireo. Nohamafisin’ny kaominina ny fametrahana azy ireo teo, tamin’ny andro nitondran’ny PDS Razanamasy Guy Willy. Nisy mihitsy aza, fotoana namindrana toerana azy ireo, hanajariana ny fotodrafitrasa teo, nefa tsy natomboka mihitsy ny asa ary naverina teo ihany indray ry zareo.
Misy tsy mazava amin’izao raharaha izao ka horaisin’ny vaomiera mpanadihady ao anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita an-tanana ny fandinihana izay tena marina. Naato, noho izany, aloha ny fanesorana ireo olona teo, sady ho fampiharana ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny volana mey 2012 ihany koa. Nomarihin’ny olona teny an-toerana fa gasy mpanam-bola efa zatra mibodo tany eny Ambodivona eny ihany, ary sahy mampiasa vola mihitsy, izao mampahory an-dry zareo izao.
Manou


Transport urbain : la promesse des nouveaux bus chinois aux oubliettes

Écrit par Courrier   
Vendredi, 29 Novembre 2013 08:00
L’année dernière, un projet présidentiel a été mis en place, celui de renouveler le parc automobile du transport urbain de la capitale via des nouveaux bus venant de Chine. Les négociations ont déjà été entamées et les responsables de ce projet ont déjà effectué un voyage dans ce pays pour choisir les bus. Une année s’est donc écoulée et les tananariviens attendent toujours jusqu’à présent.
La présidence, la commune urbaine d’Antananarivo et l’union des coopératives de transports urbains (UCTU) ont déjà annoncé il y a quelque mois que la première vague d’importation arrivera vers la fin du mois de juin mais cinq mois après, toujours rien. La promesse s’est volatilisée avec le temps. On se demande ainsi ce qui s’est réellement passé.
Les transporteurs ont pourtant été enthousiastes à l’idée d’acheter ces nouveaux bus. En effet, ils étaient 530 transporteurs, parmi les 600 postulants pour acquérir les nouveaux bus, à avoir été retenue après une sélection. 52 coopératives parmi les 60 membres de l’union des coopératives des transporteurs urbains ont manifesté leur volonté d’acheter ces nouveaux bus. Cette initiative de renouveler les véhicules œuvrant dans le transport urbain a été prise après que les transporteurs ont décidé d’augmenter le ticket de bus à 400 ariary l’année dernière.
Les responsables de ce projet devraient ainsi s’expliquer. En effet, avec l’arrivée de ces bus, on avait espéré que les embouteillages monstres de tous les jours seraient réduits au moins de moitié puisqu’il a été prévu que les anciennes voitures ne seront plus utilisées.
Dimisoa


Antananarivo Renivohitra : les inondations ne sont pas encore à craindre

Écrit par Courrier   
Vendredi, 29 Novembre 2013 07:45
Selon l’Apipa (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo), les inondations dans la capitale ne sont pas encore à craindre malgré l’abondance  des pluies de ces derniers  jours. Pourtant, la population qui vit dans les bas quartiers se plaint déjà de la montée des eaux dans leur habitation.
En effet, chaque année, les habitants des bas quartiers vivent avec cette situation. Les maladies comme la diarrhée et la grippe les affectent facilement à cause de l’insalubrité car certains quartiers comme le fokontany de Besarety, d’Andrefan’ny Mananjara ou encore d’Anosibe sont envahis par l’eau durant la saison des pluies. « Lorsque la pluie tombe abondamment, jusqu’ à 2 h du matin, nous sommes obligés d’évacuer les eaux qui envahissent  nos maisons », a déclaré une mère de famille qui vit dans le fokontany de Besarety.
L’Apipa est actuellement en train d’effectuer le curage des canaux d’Andriantany pour empêcher justement cette montée des eaux dans les bas quartiers. Le Directeur Générale de l’Apipa a déclaré toutefois qu’ils sont en butte au manque de moyen financier pour effectuer un curage plus profond, lequel devrait être effectué tous les 5 ans. Lui de poursuivre qu’aucun curage n’a  été effectué durant ces 7 dernières années.
Dimisoa


Commune urbaine d’Antananarivo : incapable de ramasser les ordures ménagères

Écrit par Courrier   
Jeudi, 28 Novembre 2013 09:39
750 tonnes d’ordures ménagères devraient être enlevées par le Samva (Service autonome pour la maintenance de la ville d'Antananarivo)
tous les jours dans la ville d’Antananarivo mais actuellement, faute de moyens financiers au sein de la commune urbaine d’Antananarivo, seulement 400 tonnes peuvent être ramassées. C’est pour cette raison que la plupart des  450 bacs à ordures de la capitale sont pleins à craquer tous les jours, provoquant par la même occasion des mauvaises odeurs nuisibles à la santé des habitants et des passants.
Le fait est que seulement 17 d’entre les camions, sur les 25 dont dispose le Samva pour  le ramassage de ces ordures, peuvent bouger  faute de gasoil. En Effet, le Samva a besoin de 1 900 litres de gasoil chaque jour pour faire marcher ces 25 camions. Selon le secrétaire général de la commune urbaine d’Antananarivo, les négociations avec les partenaires financiers sont en cours afin de résoudre ce problème.

Mauvais comportement
L’abondance de ces ordures ménagères est due au fait qu’actuellement les fruits, comme les mangues et surtout les litchis, envahissent les marchés de la capitale. La mauvaise habitude des Malgaches qui jettent n’importe où les peaux de ces fruits empire encore plus l’insalubrité de la ville actuellement. Avec la pluie qui commence à tomber tous les jours, ces ordures ménagères pourraient engendrer la propagation des maladies.
Quoi qu’il en soit, les personnes responsables du redressement de cette situation devraient s’activer puisque c’est la santé des habitants de la ville d’Antananarivo qui est en jeu. Par ailleurs, les habitants devraient également prendre leurs responsabilités en changement de comportement.
Dimisoa




Hitohy ny gaborakaka sy ny fanjakan’i Baroa : tsy mbola voatendry ny PDS -n’Antananarivo

Écrit par Taratra   
Jeudi, 28 Novembre 2013 08:50
Tsy mahamaika ? Tsy mbola notendrena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, omaly ny ho filohan’ny delegasiona manokana (PDS) hitantana ny tananàn’Antananarivo. Efa nampanantena izany anefa ny praiminisitra Beriziky ny herinandro teo  raha nihazakazahana ny fanendrena ireo lehiben’ny faritra. Aiza koa ny minisitry ny Atitany ? Paikady politika no mampihisatra ny fanendrena ?
Mety tsy mbola ho voatendry koa anefa izany raha tsy amin’ny taona vaovao noho ny fiatoan’ny filankevitry ny minisitra amin’ny herinandro. Nangatahin’ireo minisitra nivory, omaly fa hanao propagandy ny kandidà hotohanany izy ireo.
Araka izany, mbola hitohy ny gaborakaka sy ny tsy fanarahan-dalàna ary ny fanjakan’i Baroa, indrindra amin’izao mialoha ny fety izao. Fako sy ny loto, lalana, mpivarotra…
Efa naneho ny fitakina ny mpiasan’ny kaominina momba ny karaman’izy ireo. Teo koa ny fitakina ny mangaraharaha amin’ireo vola tokony, nampidirin’ny kaominina. Ohatra, ny momba ny fitantanana ny kianjan’Antsonjombe…
Efa zary tsy mahataitra intsony koa ny famerezana hasina ity tanàna ity hatramin’ny 2009 no ho mankaty. Mba namiratra ihany anefa ny renivohitra talohan’izany raha tsy voajery ny faritra iva. Amin’izao anefa, sady efa tsy hita taratra intsony ny maha renivohitra azy aty afovoan-tanàna no efa hadino koa ireo eny ambany tanàna… nohon’ny ataon’ny mpitondra sy ny mponina ao aminy ! Potika ny renivohitra, potika hatramin’ny toetsaina…
Synèse R. 

Apipa : tsy voadio ny lakandranon’Andriantany

Écrit par Taratra   
Jeudi, 28 Novembre 2013 08:30
Fototry ny olana amin’ny fitohanan’ny rano eto Antananarivo, indrindra amin’ny faritra iva ny fahatsentsenan’ny lakandranon’Andriantany. Tsy nahatazona ny teny nomeny ny Apipa. Nisy ny filazana nataon’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rateloson Philippe nandritra ny fifamindram-pahefan’ny minisiteran’ny Rano, roa volana lasa izay, fa hovitain’izy ireo ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany hatramin’ny tapak’ity volana novambra ity.
Efa hifarana anefa ity ny volana, tsy mbola misongadina velively ny asa. Tsentsin’ny tsinkafona sy ny fako plastika ny tatatra. Mitohana araka izany ny rano sy ny riaka ka tonga miakatra hatrany amin’ny tokantranon’olona manamorona izany lakandrano izany.
Isan-taona, misy ihany koa ny asa tana-maro ataon’ireo mponina manadio iny lakandrano mamarina ny rano maloto iny. Iarahana amin’ny Apipa hatrany izany. Tamin’ity taona ity, nilaza ny mponina eny Antohomadinika fa tsy nisy izany ka izy ireo ihany sisa no manao ezaka hanadiovana ny faritra manodidina azy.
Raha ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitry ny Apipa, nisy ny fahatarana teo amin’ny an-tanantohatra hahafahana manao ny asa. Vao omaly no nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanadiovana. « Novonjena ny teo Anosy ho fanombohana ny asa », hoy hatrany ny avy ao amin’ny Apipa.
Tatiana A

En passant…
Écrit par Les nouvelles   
Mercredi, 27 Novembre 2013 13:35
Inondation – Le quartier de Besarety dans un état critique
La saison des pluies est toujours un vrai cauchemar pour les habitants de certains quartiers de la ville d'Antananarivo comme Besarety, où l’eau monte jusqu’à 50 cm après quelques heures de pluie. D'après les responsables du fokontany, près de 80 foyers se trouvent actuellement confrontés à l'inondation. Le fokontany est actuellement en quête d’abris pour installer les sinistrés.

Antananarivo Renivohitra : potehin’ny ady tany ny vahoaka

Écrit par Courrier   
Mercredi, 27 Novembre 2013 10:33
Mirongatra indray ny ady tany manerana ny toerana maro eto Antananarivo Renivohitra. Niray hina, niantso ny solontenan’ny fikambanana mpiaro zon’olombelona, hijery ny zava-misy eny aminy, omaly, ny mponina amina fokontany maromaro eny amin’ny faritra Antohomadinika. Mitovitovy, amin’ny ankapobeny, ny fisehoan’ny olana amin’izy ireo. Samy nanototra honahona amin’ireo fokontany ireo tany amin’ny telopolo na efapolo taona lasa any, nonina sy nanajary tsy tapaka izay tany maina azo teo nefa tadiavina hoesorina amin’izay nomaintisiny molaly, ankehitriny, satria tsy nahavita nanoratra ny tany ara-panjakana.
Tokantrano mihoatra ny zato ao amin’ny faritra B-52 ao amin’ny fokontany Faami (Antsalovana Antohomadinika miray) no tadiavina fianakaviana iray hakipaka amin’ny toerana nonenany nihoatra ny telopolo taona, amin’izao fotoana izao. Ny fahazoany ny honahona any an-damosin’ireo trano ireo, araka ny notaterin’ny mponina, no anton’ny fandroahana.
“Tranohazo ratsy endrika nefa manamorona arabe, hono, ireo ka manakona ny azy sady tsy misy idiran’ny fiarabe hanototra ny taniny”, araka ny nolazain’io olona io tamin’ny fokonolona, isaky ny andalovany eo. Ampitahoriny foana sady nomeny fe-potoana telo volana indray ireo mponina ireo, handrava ny tranony, tamin’ny fandalovany farany teo, hoy ny fitarainan’izy ireo.

Naorina efa telopolo taona lasa
Tadiavin’olona halana amin’ny taniny koa ireo nipetraka voalohany tao amina faritra iray ao Antohomadinika Avaratra, amin’izao fotoana izao. Hisy hamaky làlana ihany koa, araka ny fahenoan’izy ireo, no antony hanesorana ny trano naoriny hatramin’ny telopolo taona lasa ka nampitaraina azy ireo ihany koa. Itrangana olana momba ny fananan-tany, toy ireo koa, ny ao amin’ny fokontany Antohomadinika III G Hangar. Bodoina teratany sinoa, nilaza ho nahazo taratasy ara-panjakana fananany azy, ny tany nonenan’ny fianakaviana malagasy hatramin’ny tondradrano tamin’ny 1959. Tsy manaiky ho lasa tsy manan-kialofana anefa ireto vahoaka amina tokantrano maro ireto ka miantso rariny amin’ny tomponandraiki-panjakana ihany.
Tsy mahalala ny paipaika ara-taratasy amin’ny toe-javatra ohatra izao ireto mponina ireto fa nanankina ny momba ny fiarovana ny zony amin’ny fikambanana Hafari malagasy izay nanao fanadihadiana teny an-toerana, omaly.
Manou

Ivandry : Fokontany mahantra honenan’ny mpanefoefo

Écrit par Courrier   
Mercredi, 27 Novembre 2013 10:28
Mahatsiaro tena ho very zo eto an-tampon-tanànan’Antananarivo Renivohitra ny mponina ao amin’ny fokontany Ivandry, boriborintany fahadimy. « Miara-monina amin’ny tremalahy sy manampahefana ambony eto amin’ny firenena izahay ety nefa tsy mahita fandrosoana mihitsy fa lasa mpitazana ny firentirentin’ny hafa fotsiny », hoy ny alahelon’ny renim-pianakaviana iray, niresaka momba io tanàna nahalehibe azy io. Manana mponina roa alina eo ho eo Ivandry, araka ny fanisam-bahoaka farany tao anivon’ny fokontany. Faritra dimy no mandrafitra azy fa ny faritra fahadimy no tena be mponina sy ahitana fianakaviana sahirana maro kokoa.
Maizina am-pototry ny jiro
Mampitaraina ny vahoaka ao amin’ny fokontany Ivandry kosa ny fombam-pitantanana mitongilana, nampiharina tamin’izy ireo aman-taona maro.  “Ijaliana daholo rehefa mety ho fotodrafitrasa tokony ho azo avy amin’ny fanjakana, eto amin’ny fokontany Ivandry”, hoy ny mponina. Vitan’ny mponina ao Ivandry tsianjery tokoa ny zava-misy na ny tsy misy eny aminy. Ampolo taonany, hoy ny ray aman-dreny ao an-toerana, no efa nitarainana ny fahapotehan’ny arabe mamakivaky ny tanànan’Ivandry, any ambadiky ny lycée technique Alarobia iny. Tsy nisy nikitika io làlana io ireo nifandimby nitondra ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hatramin’izay, hoy ny fokonolona, fa lasa làlan-tany no niafarany satria tapitra niendaka ny tara.
Fantsakana efatra monja no miantoka ny rano fisotro madio ho an’ny fokontany iray manontolo nefa voafetra ihany koa ny ora ampiasana azy. Tsy manana sekoly EPP ny fokontany Ivandry, amin’izao fotoana izao. Voatery narodana noho ny faharatsiany ny trano fianarana teo aloha nefa tsy voasolo, hatramin’izao, ka tranohazo sisa ampianarana vonjimaika ny ankizy. “Antony tsy mbola mampitsoa-ponenana anay hiala ety ny tsy fisiana asan-jiolahy mahery vaika, fahita any amin’ny fokontany hafa”, hoy ny kivalavala nataon’ny zokiolona ela nipetrahana ao amin’io fokontany io, omaly.
Manou

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire