lundi 2 décembre 2013

Semaine du 25 novembre 2013 // paru dans l'Express de Madagascar

ANDRANOMANALINA
Rano miakatra mampijaly mponina

Mponina mandrora mi­tsilany. Mampitaraina ny mponina eny amin'ny vaki-paritra sasany ao amin'ny fokontany Andranomanalina Afovoany ny fiakaran'ny rano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.
« Ny vaki-paritra fahefatra sy fahadimy no tena hiakaran'ny rano rehefa avy ny orana ka ireo mponina ao amin'ireo faritra ireo no tena sahirana » araka ny nambaran'ny sefo fokontany ao Andranomanalina Afovoany. Maharitra ihany koa vao ritra izany rano izany noho ny fahatsentsenan'ny tatatra sy ny lakan-drano. Raha ny tokony ho izy dia mivarina any Manarintsoa afovoany ny rano maloto avy ao amin'ity fokontany ity
Efa misy ihany ny ezaka ataon'ny fokontany hanadiovana ireo tatatra ireo izay hifandrombonan'ny sampan-draharaha misahana fanangonana ny fako eto Antananarivo renivohitra (Samva) sy ny eo anivon'ny fokontany Andranomanalina afovoany. 
Ny fanarian'ny mponina manodidina fako sy diky amin'ireo tatatra sy lakandrano ireo no antony maha­tsentina izany, saingy izy ireo ihany anefa no mizaka ny vokatr'izany rehefa avy ny orana. 
Marihina fa iharan’izany fiakaran'ny rano izany avokoa ireo fokontany maro manodidina an'Andrano­manalina Afovoany.

Ihony Rasolomalala

Fitaterana
Taksibe mampiasa tady am-polony voasazy

Kinanga sorohana satria mety hampidi-doza. Miitatra amin'ny làlan'ireo zotra miasa ivelan'ny renivohitra rehetra ankehitriny ny fisavana ny tady amin'ny varavarana aorian'ny fiara taksibe am-perinasa. Tsy mijanona eo amin'ny fanapahana izany avy hatrany anefa ny asan’ireo mpitandro ny filaminana fa manome sazy ny mpitatitra hita sy tratra koa. Hatreto dia taksibe am-polony no efa niharan'izany. 
Tsy mankasitraka io he­tsika fanarahamaso ataon'ny mpitandro ny filaminana mahakasika ny tady aorian'ny fiara io anefa ireo mpitatitra ka velon-taraina. « Ho fiarovana ny olona any ivelan'ny fiara mba tsy handona azy no nametrahana iny tady amin'ny varavarana ao aoriana iny fa tsy haitraitra. Na izany na tsy izany dia tokony hiteny sy hampilaza anay mpitatitra amin'ny tsy tokony hampiasana izany intsony izy ireo fa tsy mamely tampoka sy manasazy toy izao, satria manjary tsy afaka mampidi-bola ny fiaranay, izay efa miaritra fitohanan'ny fifamoivoizana », hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitatitra sy tompon'andraikitra amin'ny kaoperativa miasa ivelan'ny renivohitra. 
Raha ny hita hatramin'ny omaly dia ny taksibe miasa ivelan'ny renivohitra no mbola voakasik'io fisavana tady sy fanasaziana io. 
Rehefa nozohina ny niavian'io fanarahamaso sy 
fitsirihina ny fampiasan'ireo taksibe tady amin'ny varavarana aorian'ny fiara io, dia tsy misy mety mijoro amin'ny heviny na ny mpitandro ny filaminana manatanteraka ny asa na ny tompon'andraikitra misahana ny fitaterana. 
« Fampiharana ny naoty avy amin'ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety no anton'izao fisavana sy fanasaziana izao, izay voaporofon'ity taratasin-tsazy omena ireo taksibe tsy ara-dalàna ity », hoy ny mpitandro ny filaminana. Mitsipaka izany kosa ny tompon'andraikitry ny ATT. 
Tsotra kosa anefa ny fanazavan’ny kolonely Ranedison Gélin, lehiben'ny sampandraharaha fitsarana fiara eny Alarobia. « Fepetra noraisina mba hikatonan'ny varavarana hisorohana ny loza mety hitranga no anton'io fandraisana fepetra fanapahana tady amin'ny varavaran'ny taksibe sy ny fanasaziana ireo mpitatitra mbola mampiasa izany. Tsy misy manidy varavarana matetika ny ankamaroan'ny mpanampy ny mpamily rehefa manao asa fitateram-bahoaka. Marihina koa fa tsy misy mihi­tsy ny fanomezan-dàlana ho an'ny taksibe ampiasa iny tady iny », raha ny nambarany. 
Volana Rakotoharimanana

ANTANANARIVO
Fanamarinan-toeram-piantsonana 30 isa naorina

Tsy fanarahan-dalàna mibaribary sarona. Midina ifotony manaramaso ireo takelaka fanamarinan-toeram-piantsonana manokana eto an-drenivohitra, amin'ny alalan'ny « opération parking» ankehitriny ireo tompon' andraikitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo. 
Takelaka fanamarinan-toeram-piantsonana 30 isa vokatr'izany no naorin'ireo tompon'andraikitra nanatanteraka asa hatramin'ny omaly. Ao amin'ny Lapan' ny tanàna Analakely no 
nametrahana izany sy ahafahan' ireo tompony maka azy rehefa nahavita antsakany sy andavany ny tokony ataony manoloana izany izy ireo. 
« Tsy afaka alain'ny tompony ireo takelaka fanamarinan-toeram-piantsonana manokana ireo raha tsy nandoa ny saran'izany any amin'ny sampan-draharaha misahana ny fivezivezena eto an-drenivohitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo izy ireo ka ara-dalàna tsara ny antontan-taratasiny mahakasika izany », hoy Andrianavalona Harivelo, lehiben'ny vondron'ny polisy monisipaly eo anivon'ny kaominina Antananarivo.
Volana Rakotoharimanana

ANTANANARIVO
Mampitombo ny loto ny fakon'ny letisia

Mponina voretra. Ma­nampy trotraka ny fako efa mihanaka eto an-drenivohitra, ny loto ateraky ny hoditra sy ny voan'ny letisia izay miparitaka etsy sy eroa. Ankoatra ny loto anefa dia eo ihany koa ny lalitra izay mety hitondra otrikaretina.
« Tokony tsy anarian'ny mpivarotra ireny garabana letisia ireny ao anatin'ny daban-joridira, fa ampifanaingenina izy ireny dia apetraka manamorona ny daba mba tsy hibahana ny fanariam-pako », hoy ny tompon'andraikitry ny sampandraharaha eo anivon'ny Samva. 
Tsy tokony anipinipy ny fako avy amin’ny letisia eny rehetra eny kosa ireo mpividy, hoy hatrany ity tompon'andraikitra ity, fa tokony ampidiriny tsara ao anaty daban-joridira izany. Vao maika mampiparitaka ny fako avy amin'ny letisia ihany koa ny rano maloto eran'ny tanàna, vokatry ny orana, ka mitondra ny fako manerana ny arabe. 
Ny toe-tsain'ny tsirairay mihitsy araka izany no mila fanovana mba ahafahana misoroka ny otrikaretina mety hiparitaka vokatry ny loto, satria ny fahavaratra no mahabetsaka indrindra ny valan'aretina izay amin'ny ankapobeny dia vokatry ny loto.
Ihony Rasolomalala

FAHADIOVANA
Be loatra ny fako eto an-drenivohitra

Tsy fisiana miteraka olana ara-piarahamonina. Tsy araka ankehitriny ny asa fanangonana fako izay iantsorohan'ny kaominin’Antananarivo. Olana ara-bola amin'ny ankapobeny no voalazan'ny tompon'andraikitra ho mahatonga izany. «Efa mahatratra maherin'ny 1 000 taonina isan'andro ny fako tsy maintsy esorina eto amin'ny tanàna. Mila solika hatrany amin'ny 1 500 litatra isan'andro anefa izany, ka mipetraka ho olana satria tsy araka ny vola misy eo am-pelatanan'ny kaominina », hoy ny nambaran'ny sekretera jeneralin'ny kaominin’Antana­narivo, Rasamimanana Olga. 

« Manoloana izany, na dia eo aza ny mpiara-miombon'antoka, dia manentana ny mponina mba handoa hetra ahafahana mampandeha ny raharaha », hoy ny antso avo nataon'io tompon'andraikitry ny kaominin’ Antanana­rivo io. 
Tsy ny olana ara-bola ihany no sedrain'Anta­nanarivo , fa eo ihany koa ny olana ara-pitaovana. Misy amin'ireo fiara miasa ankehitriny no simba ary mbola hamboarina. Miisa 20 kosa ankehitriny ny fiara ampindramin’ny olon-tsy miankina miara-miasa amin'ny kaominina.
Volana Rakotoharimanana

Fitaterana
Taksibe mitete mampita­raina mpanjifa

Mpanjifa tsy voahaja. Maro amin'ny mpanjifa no velon-taraina amin'ny tsy fahatomombanan'ny fiara taksibe sasany miasa eto an-drenivohitra. 
Misy amin'izy ireo tokoa no mitete sy idiran'ny rano rehefa mirotsaka ny orana ka tena mandena. 
« Tokony ajanona tsy miasa izay fiara simba sy tsy ara-dalàna, fa manjary manome fo sy mahasorena fotsiny, toy ilay nandehanako nihazo an'Anosizato. Tsy misy fitaratra fa plasitika nopetahana scotch no solon'ny varavaran-keliny : tsy nahatohitra ny orana sy ny rivotra izany ka niboraka ary nifafy taty amiko daholo ny orana nirotsaka », hoy ny nambaran-dRabe­zakarimanana Blaise. 
« Efa nampiakarina ho 400 ariary ny saran-dalana dia tokony hifanaraka amin'izay ny kalitaon'ny fitaovana ampiasain'ny mpitatitra vahoaka, fa tsy fiara mitete sady tsy misy varavaran-kely sy jiro no itondrana olona », hoy ny nanamafisan-dRandriamaminirina Hanitra izany. Izy indray dia monina eny Ambohi­manarina.
« Efa naharay tatitra maro mahakasika izay fiara ratsy sy mitete amin'ny fotoana hiavian'ny orana izay tokoa izahay, ka hidina ifotony hanara- maso sy hanasazy ireo tompona fiara sy kaoperativa voakasik'izany. Hiaraka amin'ireo tompon'andraikitry ny vondrona mpanaramaso ahitana ny avy eo amin'ny kaominin’ Antananarivo sy ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny izahay amin’izany », raha ny nambaran'Andriam­binintsolomora Bernardin, filohan'ny UCTU nanoloana izany.

Volana Rakotoharimanana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire