Les besoins immédiats des Malgaches en logement sont estimés à 950.000 toits. 70% des demandes sont localisées à Analamanga. Malgré les efforts fournis, beaucoup reste encore à faire et les coûts de construction ne sont pas accessibles à tout le monde.
Avec la pauvreté à Madagascar et l’inflation qui prend de l’ampleur, les Malgaches n’arrivent plus à avoir une maison décente. Le directeur général de l’agence nationale d’appui au logement et à l’habitat (Analogh), Dera Randriatsarafara, explique que « Le nombre des nationaux vivant dans des mauvaises conditions de logement ou qui ne disposent pas d’un toit est très important. C’est pour répondre à ce besoin immédiat que l’on se consacre à la construction de nouveaux bâtiments comme à Imerintsiatosika cette année ». C’est notamment dans l’objectif de répondre aux demandes de la population que la banque BOA Madagascar et Analogh ont signé un protocole d’accord hier à l’hôtel Colbert. Selon les explications du directeur général de la BOA Madagascar, Abdallah Ikched, « Grâce à cet accord, tous ceux qui souhaitent acquérir un logement pourront demander un prêt immobilier auprès de la BOA sur recommandation d’Analogh. Qu’ils soient clients ou non de la banque, ils pourront s’y présenter et suivre ensuite les procédures indiquées par les agents ».
Un taux fixe quoi qu’il arrive
Abdallah Ikched apporte plus de précisions sur les conditions du prêt immobilier. D’après lui, « Le prêt que nous accordons à nos clients est très intéressant puisque nous fixons un taux fixe de 12%, étalé sur une durée de 20 ans. Ainsi, en dépit de l’inflation ou de l’augmentation du salaire ou du changement d’un quelconque paramètre, le montant alloué sera le même ». Tout en participant à l’accroissement du taux de bancarisation dans le pays, la banque propose une amélioration du cadre de vie. Selon les explications de Dera Randriatsarafara « En moyenne, le loyer médian actuel est situé entre 125.000 et 130.000 ariary ». Et lui de poursuivre que, « Analogh entend lancer cette année de nouvelles constructions dans la commune rurale d’Imerintsiatosika pour répondre doucement aux besoins ». Pour rappel, cette agence propose trois types de logements, à savoir ceux sociaux, ceux destinés aux fonctionnaires et ceux réservés à la moyenne gamme. Les sites identifiés sont répertoriés à Taolagnaro, Antsirabe, Mahajanga, Toamasina et Antananarivo. En ce qui concerne les logements sociaux, le directeur de préciser qu’à ce jour les demandes déposés à travers l’île se montent à 4.000.
Noella Rakoto
Écrit par Les nouvelles |
Samedi, 05 Avril 2014 10:21 |
Grosse cacophonie depuis jeudi soir dans les rues de la capitale. Les prostituées se sont insurgées contre la décision de la commune urbaine d’Antananarivo. Une guerre de rue entre travailleurs de sexe et la police urbaine se profile à l’horizon.
Le taux de prostitution chez les jeunes filles malgaches est de 78,4% selon une enquête de « End Child Prostitution in Asian Tourism- Ecpat ». 41,4% d’entre elles sont âgées de moins de 18 ans. Depuis hier, la commune urbaine d’Antananarivo a lancé une campagne d’assainissement contre la prostitution. Cette fois-ci, les responsables de la CUA entendent aller jusqu’au bout de leur projet malgré les menaces des travailleurs de sexe. « Il n’est pas question d’éradiquer le plus vieux métier du monde mais plutôt de recenser les « belles de nuit » en âge d’exercer ce métier et de trouver un lieu de travail décent pour elles», selon les explications. Une note a été affichée dans tous les coins chauds de la capitale. Elle renforce l’article 334 du code pénal, loi n°98-024 datant du 25 janvier 1999, interdisant toute forme de prostitution directe ou indirecte. Les hors- la- loi devront s’acquitter d’une amende allant de 1 million à 10 millions d’Ariary, ou écoperont d’une peine d’emprisonnement ferme allant de 2 à 5 ans. Et ce sera un travail de longue haleine pour la commune et ses partenaires car le nombre des prostituées ne cessent d’augmenter. En 2012, l’Ecpat a recensé 29.000 prostituées à Madagascar contre 17.000 en 1993.
90% des emplois sont vulnérables
La crise socio-économique et politique à Madagascar a entraîné un impact négatif sur l’économie du pays. Plus de 90% des emplois sont aujourd’hui vulnérables. Des entreprises menacent de mettre la clé sous le paillasson d’un jour à l’autre. Le rapport du Bureau international du travail sort un bilan effarant. 336.000 à 1.250.000 personnes se sont retrouvées au chômage en 4 années transitionnelles. Et les plus concernés sont les jeunes. La plupart d’entre eux sont des jeunes diplômés ayant tout juste l’opportunité de faire connaissance avec le monde professionnel. Faute d’expériences, les portes du travail ne s’ouvrent pas automatiquement pour eux. La période de transition a alors été une période de recrudescence de la reconversion professionnelle. C’est l’émergence du travail à domicile et du travail sur internet. Des diplômés en ingéniorat se retrouvent soudainement chauffeurs de taxi ou de taxi-be chez les hommes. Tandis que les filles exercent d’autres métiers les plus convoités comme masseuse, mannequin ou hôtesse de vente. Et dernièrement on assiste à l’apogée de la prostitution sur le net.
Nadia
Écrit par Courrier |
Samedi, 05 Avril 2014 09:24 |
Mihantona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny famoronana fokontany vaovao.
Fanazavana nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny atitany, Rakotonarivo Thierry izany, afak’omaly. Mandalo fotoan-tsarotra amin’ny lafiny ara-bola ny minisitera amin’ny fikarakarana ireny fokontany ireny, na heverina ho bitika aza. Noho izany, tsy mahazo manangana fokontany vaovao aloha, ny lehiben’ny distrika sy izay mitovy lenta aminy toy ny prefen’ny polisin’Antananarivo Renivohitra. Rantsamangaika fototra iray ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanapariaham-pahefana ny fokontany. Azon’ny fokonolona natao, noho izany, ny manao fangatahana famoronana fokontany vaovao hatramin’izay, noho ny halaviran-toerana, ohatra. Voafaritry ny didim-panjakana io ary alefan’izy ireo any amin’ireo mpanolotsain’ny kaominina misy azy avy, hodinihina sy hankatoavin’ny fikan-kevitry ny kaominina na ny tanàna. Ireo indray no mampita mivantana ny fanapahan-kevitra amin’ny ben’ny tanàna, ho an’izay mbola manaja rafitra. Ny ben’ny tanàna indray no manolotra izany fangatahana izany any amin’ny lehiben’ny distrika, tompon’antoka farany amin’ny fanapahan-kevitra sy mamoaka didim-pitondrana fananganana ny fokontany vaovao. Miainga eo ny fikarakarana ny fifidianan’ny fokonolona izay sefom-pokontany sy ny lefiny. Marihina fa azon’ny lehiben’ny distrika atao ny « manongana » na manala amin’ny toerany ny sefom-pokontany raha nanao fahadisoana amin’ny andraikiny. Somary misy disadisa anefa, amin’ny ankapobeny, ireo sefom-pokontany sasantsasany sy ny lehiben’ny distrika misy azy noho ny resaka tsy fahazoana ara-potoana ny tambin-karama.
Zo. Ra.
Écrit par Taratra |
Samedi, 05 Avril 2014 08:44 |
Manomana ny tanora hiatrika ny hoaviny momba ny asa ny ekipan’ny Kentia sy ireo mpîara-miombon’antoka aminy. Hanao fampisehoana momba izany izy ireo ny 9 sy 10 mey ho avy eo amin’ny lapan’ny Tanàna.
Be loatra ny tanora tsy an’asa, tsy ampy ny tolotr’asa sy vitsy ny afaka mamorona asa ho azy manokana. « 70 % -n’ny tanora nahavita fianarana, tsy mahita asa », hoy ny mpikarakara iray ny fampisehoana manodidina ny asa sy ny fandraharahana, Rakotomanana Riveltd, omaly, raha nampahafantatra ny hanaovana izany hetsika, andiany faharoa izany. Ezahina ny hisarihana bebe kokoa hatrany ny sain’ny tanora ho amin’ny tontolon’ny asa hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Handray anjara ireo avy amin’ny orinasa, fikambanana, sns. Hisy, amin’io fotoana io, koa ny famelabelaran-kevitra samihafa, eto an-toerana sy mivantana avy any ivelany. Lohahevitra maro no resahina, anisan’izany ny fandraharahana ny tontolo ambanivohitra, famoronana orinasa izay hiarahana amin’ny EDBM. “Hampirisihana ny famoronana asa ho an’ny tena sy fanamoràna ny fampiasam-bola eto an-toerana izany», hoy Rakotomanana Riveltd. Ny zava-misy ankehitriny, betsaka ny tanora miandry asa, nefa ambany ny tolotra. Raha tany amin’ny 10 taona lasa, tolotra iray, nisy mpangataka 200 teo ho eo. Ankehitriny, tolotrasa iray, efa mila hananika ny 900 ny mpangataka. Antony iray mahatonga ny fanararaotana ataon’ny orinasa sasany tsy mampihatra ny lalàna mifehy ny asa, na amin’ny lafiny karama na amin’ny zon’ny mpiasa izany. Mitazam-potsiny izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Asa.
150.000 ny asa rava isan-taona
Koa antony iray lehibe hanaovana ity fampisehoana ity ny handraisan’ny rehetra izay tompon’andraikitra ny anjara mifanandrify azy. Ny politikan’ny fanjakana, sehatra tsy miankina, fampianarana sy fanofanana, fiaraha-miasa amin’ny any ivelany, fampahalalam-baovao, sns. Iaraha-mahita ny fahapotehan’ny tontolon’ny asa, indrindra tao anatin’izay fotoana nisian’ny krizy politika izay. 150.000 ny asa rava isan-taona ary voakasika tamin’izany krizy izany ny 91 % tamin’ny indostria eto an-toerana, araka ny fanazavana nentin’ireo mpanomana. Koa ho fanarenana izany, ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny ekipan’ny Kentia sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy (Ultima Média, Air France, Mercantile Exchange Madagascar, sns), hanohana sy hanome torohevitra ny tanora amin’ny fitadiavana asa sy ny fandraharahana. Tamin’ny taon-dasa, ny andiany voalohany, 16.200 ny mpitsidika tonga, raha 3000 no nandrasana ary nisy tranoheva 33. Amin’ity kosa, 25.000 ny mpitsidika andrasana, ary hisy 50 ny mpandray anjara.
R.Mathieu
Écrit par Les nouvelles |
Vendredi, 04 Avril 2014 11:37 |
Le dernier véhicule immatriculé actuellement porte le numéro 3530 TBC. La distribution de cette série TBC a débuté le 22 janvier dernier et est prévue se terminer d’ici mi-juillet, si on se réfère à la durée d’épuisement des numéros dans les deux précédentes séries : la TBA et la TBB. La TBA a été délivrée en mi-janvier 2013 jusqu’à juillet 2013 tandis que la TBB de mi-juillet 2013 à mi-janvier 2014. C’est ce qu’on a pu ressortir des données recueillies, hier, auprès du service d’immatriculation sis à Ambohidahy.
Selon les explications du chef du centre d'immatriculation d'Antananarivo, Charli Hyacinthe Rajaonarison, « les deux-roues représentent presque la moitié des véhicules immatriculés à Antananarivo». Sur les 18.150 immatriculations en 2013, 7.840 (43,19%) sont destinées aux motos, contre 5.301 aux voitures particulières et 1.884 aux véhicules de transport en commun. Cette situation n’est point étonnant, vu que les deux-roues sont toujours plus pratiques, surtout pour ceux qui ont des horaires à respecter.
Fahranarison
Écrit par Taratra |
Vendredi, 04 Avril 2014 07:47 |
Namoaka didy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy azon’ny mpivarotena atao intsony ny mijorojoro eny Tsaralalàna, Analakely sy ny manodidina manomboka izao. Voakasika amin’izany avokoa rehefa toerana mety hijorojoroan’ny mpivarotena na aiza na aiza. Nanome fe-potoana farany hatramin’ny afakomaly alina ny kaominina. Handray andraikitra izy ireo raha tsy misy manaraka izany fepetra izany. Etsy andaniny, mihevitra ny hanao fihetsiketsihana ireo mpivarotena hanohitra izany fanapahan-kevitry ny kaominina izany. Milaza izy ireo fa hitondra sora-baventy eny Tsaralalàna halina. Inona ny mety hitranga? Hosamborin’ny kaominina? Tsy mety ve raha amin’ny andro antoandro no hanaovana fihetsiketsehana?
Yves S.
|
Écrit par Les nouvelles |
Vendredi, 04 Avril 2014 11:06 |
Nikoropaka ireo mpivarotena, taitra ny mpanjifa. Nikasa hanao bemidina eny Analakely sy Tsaralalàna ny mpiasan’ny Kaominina, hanala ireo tovovavin’ny alina.
Nanambana hanao fihetsiketsehana omaly alina ireo mpivarotena eo Analakely sy Tsaralalàna ary ireo avy amin’ny toerana vitsivitsy eto an-dRenivohitra. Tsy tanteraka anefa aloha io hetsika io satria tsy mbola niroso tamin’ny fanalana azy ireo ny mpiasa avy ao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana ny tanàna, izay nokinasan’ny Filohan’ny delegasiona manokana, Andriamanjato Hasina, ny fanesorana ireo tovovavin’ny alina eto an-dRenivohitra. Taona maro no efa nahitana azy ireo nijorojoro, nanao ny asany tamin’ireo toerana voalaza ireo. Etsy andaniny anefa, maro dia maro ny fitarainana nataon’ny sefom-pokontany sy ny mponina monina mipetraka manodidina fa tsy mbola nisy hatramin’izao ny tomponandraikitry ny tanàna nahasahy nandray fanapahan-kevitra hentitra toy izao. Ankoatra ny tabataba sy ny ady mpiseho matetika, tsy takona afenina ny loto sy fofona avelan’ireo mpivoaka alina, manao maloto eny rehetra eny. Taratry ny fahantrana ihany koa ny firoboroboan’ity karazana fitadiavam-bola haingana ity.
Nanamafy ireo mpivarotena omaly fa toy ny asa rehetra ihany no ataon’izy ireo ka tokony avela hiasa malalaka izy ireo. Tsy misy rahateo, hoy ny fanazavany, ny lalàna mandrara ny fivarotatena eto amintsika. Andrasana noho izany ny fanapahan-kevitry ny Kaominina raha hiroso amin’ny fanadiovana izy ireo na hihemotra.
Mparany
Écrit par Taratra |
Vendredi, 04 Avril 2014 08:20 |
Ho endrika vaovao ny fanambin’ny PDS-n’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanombohany ny fanovana ny fomba fiasa ny fanoloana ireo tale marobe. Misy ny paikady hoentin’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Andriamanjato Ny Hasina hanatsarana sy hanavaozana ny fitantanana ny tanànan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Fa zava-baovao hoentiny kosa ny fanorenana toerana malalaka fiantsonana fiarakodia (parking) ambanin’ny tany. Mety ho eo Analakely no hanaovana azy. Na tsy nanome ny antsipiriany aza izy, notsoriny fa efa vita avokoa ny paikady rehetra hanatanterahana ny tetikasany ary ao anatin’ny fotoana fohy, saingy miandry ny fisian’ny praiminisitra sy ny governemanta, hiara-miasa aminy ary ny fanohanan’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Anisan’ny efa nanome toky ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), ohatra, fa hamatsy vola ny fanitarana sy hanohy ny lalambe « Boulevard de l’Europe », hampifandray amin’ny lalam-pirenena hafa.
Any anaty tsena ny mpivarotra, an’ny fiara ny arabe
Maro ireo mpitantana ny CUA teo aloha, niezaka nanala ny mpivarotra amoron-dalana, anisan’ny mampihitsoka ny fifamoivoizana. Raha ny fijery azy ety ivelany aloha, hentitra ny PDS Andriamanjato Ny Hasina, nilaza fa averina any anaty tsena ny mpivarotra satria natao ho an’ny fiarakodia ny arabe ary ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisiny. Raha ireo no tanteraka, azo inoana fa hihena ny fitohanana satria iaraha-mahafantatra fa fiara vaovao manodidina ny 20.000 isan-taona no manampy ireo efa eto Antananarivo, araka ny laharana vaovao avoakan’ny sampandraharaha etsy Ambohidahy. Mikasika ny fandraofana ny fako, efa misy ny fifanarahana tamin’ny iray amin’ireo mpandraharaha ara-tsolika, hanampiana amin’ny gazoala 18.000 litatra. Voafetra ihany anefa ny fe-potoana (15 andro), ka tsy mbola fantatra ny tohiny aorian’izay.
Njaka Andriantefiarinesy
Écrit par Taratra |
Jeudi, 03 Avril 2014 08:52 |
"Ny vahoaka ao anatin’ilay toerana no manao fangatahana hahazo fokontany vaovao, araka ny didim-panjakana." Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Rakotonarivo Thierry, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly. Alefa eny anivon’ny filankevitry ny kaominina izany fangatahana izany, atolotra ny ben’ny Tanàna rehefa mahazo ny fankatoavana. Ny ben’ny Tanàna indray no mandefa azy any amin’ny lehiben’ny distrika, izay mamoaka didim-pitondrana hananganana ny fokontany vaovao. Noho ny antony samihafa, indrindra ny lafiny vola, nanapa-kevitry ny minisiteran’ny Atitany fa mihantona aloha ny fananganana fokontany vaovao, araka ny nambarany. Tsy azon’ny lehiben’ny distrika rehetra sy ny préfet de Police, ho an’Antananarivo Renivohitra, atao aloha izao ny manangana fokontany vaovao.
Fidin’ny fokonolona ny lehiben’ny fokontany
Fahefan’ny lehiben’ny distrika sy ny préfet de Police, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, ny manala ny lehiben’ny fokontany, raha misy ny fahadisoany voamarina amin’ny fandraisana andraikitra. Ny fivoriambem-pokonolona, olom-pirenena mihoatra ny 18 taona, no mifidy lehiben’ny fokontany. Ny antsasa-manila amin’ny fokonolona no tonga vao azo atao ny fifidianana. Rehefa tsy feno izany amin’ny fiantsoana fivoriana fahatelo, atao ny fifidianana na firy na firy no tonga. Fifidianana roa samy hafa no atao amin’ny fifidianana lehiben’ny fokontany sy ny lefitra. Izay lanin’ny fokonolona amin’izay mahazo vato be indrindra no atolotra ny lehiben’ny distrika ary tendreny ho lehiben’ny fokontany sy lefitra amin’ny alalan’ny didim-pitondrana, araka ny fanazavany.
R. Nd.
|
Écrit par Courrier |
Jeudi, 03 Avril 2014 10:10 |
Manomboka mametraka ny fepetra hoenti-manarina ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra ny Pds, Ny Hasina Andriamanjato. Nosantariny avy any ambony ny fanadiovana, tamin’ity herinandro ity, ka nisivanany ireo ho tazoniny hiara-hiasa aminy. Tsy nisy voatàna intsony, noho izany, ny 16 tamin’ireo tale niisa 18 tao anivon’ny fiadidiana ny tanàna. Nohazavain’ny Pds, Ny Hasina Andriamanjato, fa ny fiahiahiana azy ireo ho nanao gaboraraka teo amin’ny fitantanana noho ny fanodinkodinana ny volan’ny kaominina no anton’izany fanapahan-kevitra izany. Tsy nomena andraikitra tao amin’ny toeram-piasana intsony ny sasany tamin’ireo tale ireo ankoatra ireo noroahina tanteraka, araka ny vaovao avy tao anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. Tsy nanankinana andraikitra ihany koa ny Pds lefitra, nitantana ny toeram-piasana nialohan’ny nahavoatendry ny Pds vaovao, hatramin’ny nahavitana ny famindrana asa nefa tsy voalaza ny antony hatramin’izao. Nafindra ho any amin’ny fiandraiketana ny fanaraha-maso sy fitsirihana kosa ny sekretera jeneralin’ny kaominina, araka ny tapaky ny mpitantana vaovao. Antenaina ho taratra amin’ny fivoaran’ny fanarenana ny tanànan’Antananarivo atsy ho atsy ny vokatr’iny fanapahan-kevitra feno fahasahiana iny. Tsy fantatra kosa na hijanona amin’izay fanesorana amin’ny toerana izay ny fepetra ho raisin’ny mpitantana ao anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra na haroso anatrehan’ny fitsarana noho ny fisiana fiahiahiana fanodinkodinana volam-bahoaka.
Manou
|
|
|
|
|
|
|
|
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire