Écrit par Courrier |
Samedi, 08 Mars 2014 09:12 |
Antananarivo tsy vita indray andro, hoy ny fitenenena. Nametraka fanamby hihoatra izany anefa ny PDS vaovao, Andriamanjato Ny Hasina, nandritry ny resaka fohy nifanaovana taminy omaly. « Haintsika io ary omeo roa volana izahay hanaovana azy », hoy izy, tao Antaninarenina. Mailo anefa ny lehilahy ary nilaza fa mbola hanao fanambarana goavana ny alatsinainy izao. Hisy rahateo ny famindran-draharaha amam-pahefana hifanaovany amin’ny PDS lefitra teo aloha, Rasamimanana Olga, amin’io fotoana io. « Tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy fa hataontsika mangarahara izany», hoy izy. Be ny asa miandry, izay ilàna paik’ady sy politika matotra, araka ny fanazavany. Mety ho nisy tokoa ny traik’efa noraisina fony izy niara-nitantana ny kaominina tamin’ny filohan’ny tetezamita Ben’ny tanàna, na izay nampitain’ny rainy fahavelony. Manana izay paik’adiny manokana koa izy, araka izay andraikitra nampitaina taminy.
Hanompo vahoaka
Niraradraraka ny fampanantenana. Niaiky am-pahibemaso ny PDS vaovao, Andriamanjato Ny Hasina, fa betsaka ny asa miandry ka ilàna fametrahana politika sy paik’ady manokana. Na izany aza, nilaza ny tenany fa natao hanompo vahoaka raha nandray ny andraikitra arak’izay nilàn’ny filoham-pirenena azy. Tsiahivina fa efa naniry hitantana ity renivohitra ity ny lehilahy tamin’ny nirotsahany ho ben’ny tanàna saingy resin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Haneho ny fanambiny izany ny lehilahy. « Antson’ny firenena sy ny vahoaka izany sady tsy noterena ka ekena », hoy ihany izy.
Mifamatotra ny fifandraisan-davitra sy ny fiarovana
Fifanoloran’andraikitra no niatrehana ny resaka nifanaovana tamin’ny PDS vaovao. Nampita andraikitra amin’ny maha minisitry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra azy tamin’ny Jly Rakotoarimasy, minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitra Andriamanjato Ny Hasina. Nambaran’ny nandao ny toerana fa nifandray foana ireo minisitera roa ireo. Tsy vahiny tamin’izany rahateo ny nandray ny fahefana satria efa niara-niasa matetika ny roa tonta. Nilaza kosa ny minisitra vonjimaika, Rakotoarimasy Lucien, fa nifamatotra tokoa ireo minisitera roa ireo. « Tsy misy fampandrosoana raha tsy milamina ary tsy misy filaminana raha tsy eo ny fifandraisana », hoy ny Jly Rakotoarimasy.
Zo. Ra.
|
JIRAMA : les coupures inévitables durant le week-end |
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire