lundi 6 janvier 2014

Semaine du 30 décembre 2013 // paru dans l'Express de Madagascar

TSENA
Feno ny fakon' ny mpivarotra ny amoron-dàlana

Mpivarotra voretra. Mampitombo ny fako misy eto an-drenivohitra amin'izao fotoana ny loto aterak'ireo mpivarotra eny amoron-dalana, toy ny baoritra sy ny fonosana entana isan-karazany. 
Miharihary izany loto izany vantany vao mamonjy fodiana izy ireo amin'ny hariva. « Miezaka ihany 
izahay mandroaka izay tandrify anay, fa misy ny mpivarotra sasany no tsy manao mihitsy », raha ny fanazavan'i Andriamanalina Noelina, mpivarotra kiraro eny amoron'ny araben'ny Behoririka. 
Ho entitra kosa amin'ny fandraisan'andraikitra amin'ny fanadiovana ny faritra ivarotan'ny mpivarotra ara-dalàna eny amoron-dàlana ny kaominina ary hitohy amin'ny fanesorana ireo tsy ara-dalàna, hoy kosa Rahaga Jean Luc, tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny kaominin’ Antananarivo-renivohitra, raha nitondra fanazavana. « Tsy maintsy manana sobika sy kofafa iray ny mpivarotra ary izy ireo ihany no tokony manadio sy manary ny fako manodidina ny toerana ivarotany », hoy hatrany izy. 
Entanina ihany koa izy ireo mba hanary fako any anaty dabam-pako fa tsy anaparitaka izany. Hitohy hatrany kosa ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna mba hiarovana ny tanàna amin'ny loto. 
Ihony Rasolomalala
ANTANANARIVO
Itadiavana ivon-toerana ireo tsy manan-kialofana
Ezaka fanampiana ireo mpatory an-dàlana. Hifanatona amin'ireo ivon-toerana mpandray sy mpampiantrano ireo tsy manan- kialofana ny kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka ny 6 janoary izao.
« Tanjona amin'izany ny handinihina ny fandraisan'ny ivon-toerana ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena», araka ny nambaran-dRahari­nandrasana Hajatiana, talen'ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fahasalamam-bahoaka eo anivon'ny kaominina Antana­narivo Renivohitra. Marihina fa manana ivon-toerana mahazaka olona 60 eo ny kaominina, ahafahana mandray ao anatin'ny fotoana voafetra ireo mpatory an-tsena ka avy ao amin'io toerana io no akan'ny ivon-toerana sasany toy ny eny Andralanitra ireo tsy manan-kialofana ireo. 
Nampatsiahy azy ireo ihany koa ny kaominina fa ho hentitra amin'ny fanesorana azy ireny eny amoron-dàlana manomboka ny herinandro ho avy izao. 
Nisy ihany koa ny fizarana sakafo maivana nataon' ity sampan-draharaha iray eo anivon'ny kaominina ity ho an'ireo tsy manan-kialofana miisa 300 ny faran'ny taona teo, tetsy Isotry.
Ihony Rasolomalala

Tourisme
Le nouveau code présenté bientôt au Parlement

Après plusieurs mois, des négociations entre le secteur privé et l'administration touchent à leur fin, le nouveau code du tourisme verra bientôt le jour. Selon les informations émanant d'une source auprès de l'Office national du Tourisme de Madagascar (ONTM), ce dernier devrait être déposé au niveau du Parlement, à la première session parlementaire. 
Le code sera par la suite adopté en tant que loi. « Les discussions entre les différents acteurs sur les nouvelles 
propositions avancées par le ministère du Tourisme sur le nouveau code, se poursuivent, mais elles ne dureront plus longtemps, car il n'y a plus que quelques points de discorde. La version définitive sera soumise à la prochaine rentrée parlementaire, après validation des points techniques », note cette source.
Relancée en février 2012, après deux années de mise en veille, l'adoption du code du tourisme, mis à jour, a de nouveau trébuché sur une divergence de point de vue au mois de cette même année. Elle a été basée sur un problème de fonds, notamment sur les rôles respectifs des deux parties sous la proposition de l'administration publique. 
Le code portera sur différentes grandes lignes, dont la normalisation des services et des infrastructures, les investissements dans le secteur tourisme, ainsi que l'organisation qui définira les rôles distincts du ministère et du secteur privé.
Lantoniaina Razafindramiadana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire