mercredi 16 avril 2014

Mois d'avril / Semaine 2 - Articles de Newsmada.com


Fandrodanan-trano tao Nanisana : voan’ny « toky fitaka »indray ny vahoaka
Écrit par Courrier   
Samedi, 12 Avril 2014 09:15
Tanteraka omaly ny fanesorana ireo trano voalaza ho naorina tsy ara-dalàna tao amin’ny tany famokaran-janakazon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Rano sy Ala tao amin’ny fokontany Nanisana-Antananarivo.
Efa nikaro-dàlana, hanavotana ny fananany ihany ireto voaroaka tamin’ny tanim-panjakana ireto, saingy voafitaky ny mpanao politika, hoy ny fitarainan’ny maro. Notsiahivin’izy ireo ny toky nomen’ny kandidà solombavambahoaka Raholdina Naivo, hahatafajanona azy ireo amin’io tany io, nandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra solombavambahoaka teo, nefa tsy nisy tanteraka fa izao faharavana izao ihany no niafarany. “Tsy nisy tsy natao ho an’io mpanao politika io, ho tambin’ny fiarovana anay tamin’izany, nefa tsy nandalo akory izy, hanatanteraka ny nampanantenainy fa nanary anay tamin’ny sarotra toy izao”, araka ny tomanin’ny renim-pianakaviana iray, isan’ireo rava trano tao. Tsy nandalo teny an-toerana torak’izany koa ny fikambanana Hafari Malagasy, nilokaloka hiaro azy ireo fa “nanao sambo milentika”, hoy ihany ny mponina izay nahatsiaro ho voafahan-dalitra tamin’izao raharaha izao.

“Hiala maina”
Saika hisakana ny fandrodanana ny trano fonenany ihany ireo efa nonina tao nefa tsy nahatohitra ny mpitandro filaminana, nanampy ireo andian-tovolahy nokaramaina hanatanteraka izany niaraka tamin’ny fitaovana vaventy. Trano 23 niorina tamina velarana 91 ara, araka ny fanisana nataon’ny minisitera, no voakasiky ny fanesorana an-keriny sy fandravana, ho fanatanterahana ny didim-pitsarana efa nivoaka sy nampahafantarina azy ireo.
Hiala maina ireo potika fananana ireo, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, Randrianarisoa Manganirina, izay nanatrika teny satria efa tsy nahazo rariny tamin’ny fitsarana izay nibaiko ny hanalana azy. Efa nampahafantarina azy ireo mialoha izao fampiharana didy hatao izao, hiomanany, hoy ity tomponandraikitra ity. Tokony hotanterahina tamin’ny alarobia lasa teo, hoy izy, ny fanesorana ireo nanorim-ponenana tsy ara-dalàna tamin’ny tanin’ny minisitera ireo, nefa io nahemotra omaly io, noho ny fangatahan’ny solontenany nandritra ny fihaonan’ny roa tonta.

Manou

Famantarana an' Antananarivo : mety hisolo “Voromahery” ilay “Omby”
Écrit par Les nouvelles   
Vendredi, 11 Avril 2014 11:05
Fanovàna ny famantarana ny tanàna, loto, fako, mpivarotra, lalana, fanalana mpivaro-tena sy ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola, sns… Hevitra nahabe resaka teto Antananarivo Renivohitra ireo. Tena narisika tamin’ny herijika nananan’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tànana, Andriamanjato Ny Hasina, ny vahoaka tamin’ny fiandohan’ny fitantanany. Ankehitriny kosa, efa manomboka ny fimenomenomana amin’ny mponina. Laharam-pahamehana tokoa ve ny fanapahan-kevitra sasany? Misolo tena ny PDS, Andriamanjato Ny Hasina, ny mpanolotsaina teknika eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanjatojaona Sitraka.
Les Nouvelles(*): Tena laharam-pahamehana ho anareo ve ny fanovana ny mari-pamantarana ny kaominina Antananarivo Renivohitra?
Ramanjatojaona Sitraka(*): Miainga amin’ny finoana kristianina no antony lehibe nahatonga ny PDS, Andriamanjato Ny Hasina, nanolo-kevitra ny hanovana io mari-pamantarana io. Amin’ny PDS, endrika fanompoan-tsampy io sarina omby eo amin’ny mari-pamantarana io, raha ny hevitra ara-baiboly kristianina no raisiny. Ary maro dia maro ny tenin’ny Soratra masina nentiny nanamarinana izany.
Mbola mihantona aloha io hevitra io, amin’izao fotoana izao, na efa neken’ny filankevitra monisipaly aza ny hanovana azy. Ary na ny sary hasolo ilay sarin’omby aza, mbola baraingo. Tsy fantatra hoe inona no hatao famantarana eo. Mety ho “Voromahery”, mari-pamantarana napetraka teo amin’ny vavahady fidirana amin’ny Rova, mety ho sary hafa.
Ary tsipihiko fa tsy io no laharam-pahamehana aminay fa ireo teboka lehibe 9.
*Mbola misy idiran’ny resaka finoana ihany koa ve ny fepetra noraisina momba ny fandraofana ireo mpampanofa fahafinaretana sy ireo mpivarotra toaka?
-Ny kaominina, tsy miady amin’ireo mpampanofa fahafinaretana sy ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola. Fa kosa mampihatra ny lalàna izay efa misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy azo ekena ny fivarotantenan’ny zaza tsy ampy taona sy ny famarotana zava-pisotro misy alikaola amin’ireo zaza tsy ampy taona sy amin’ireo toerana tsy nahazoana alalana izany. Izay no handraisan’ny kaominina fepetra. Fa izahay, tsy miady amin’ny mpivaro-tena ary tsy misy lalàna mandrara ny fivarotan-tena rahateo. Ny mampivaro-tena olona no raran’ny lalàna.
Fa vokatry ny fitarainan’ny olona amin’ny tabataba amin’ny alina sy ny loto, tsy maintsy misy ny fepetra raisinay amin’ny maha tompon’andraikitry ny tanàna anay.
*Inona kosa ary ny fepetra ampiarahanareo amin’izany fampiharana ny lalana izany?
-Miaraka miasa amin’ny vondrona antsoinay hoe “cellule stup” izahay hamongorana tanteraka ny fivarotanten’ny zaza tsy ampy taona sy ny fivarotana toaka amin’ny toerana tsy ara-dàlana sy amin’ny zaza tsy ampy taona ihany koa. Misy ny fanabeazana ny tsirairay sy ny fampianarana ny lalàna velona eto amin’ny firenena.
Tsy afaka hihambo anefa izahay hanome fivelomana na asa ho azy ireo na ihany koa hampiditra ireo zaza any am-pianarana. Mbola marefo tanteraka mantsy ny toe-bola eo am-pelatanana. Ireo ivontoerana mpiahy ny mahantra na 4’mi sy ireo zaza kamboty, eny Anosizato sy Mangasoavina aza, efa tena miasa intsony, vokatr’io tsy fahampian’ny toe-bola io.
*Ho tanterakareo ve ny fanamby napetrakareo: ny fanatsarana sy ny fampandrosoana ny tanàna anatin’ny enim-bolana?
- Nofehezina anatin’ny teboka sivy ny asa entina hamerenena ny hasin’ny tanàna.  Toky no omenay ny mponina fa ho tanterakay ny fanamby. Na misy aza mantsy ny asa sarotra, ary tsy maintsy misy izany, ny finoana no hanampy anay be dia be. Tsoriko fa ity asa nampandraiketana ny PDS ity dia tsy nisy nety nanao. Satria trosa misavovona sy olana tsy hita nonoa no niandry izay voatendry teo amin’ny andraikitra. Marihiko fa 55 miliara Ar ny trosa novantanina tato amin’ny fitantanana. Fa nanaiky ny andraikitra ny PDS noho ny fitiavany manokana ity tanan’Antananarivo Renivohitra ity.
* Aiza ho aiza ny asa amin’izao àry?
-Tsy tanjona ny hoe “Antananarivo madio” fa tena rariny sy hitsiny kosa raha madio Antananarivo. 35%-n’ny asa fandraofana fako sy fanadiovana ny manodidina ny dabam-pako no vita izao, nandritra ny tapa-bolana nanombohan’ny fanamby. Roa volana dia miverina amin’ny laoniny ny fanangonana izany fako izany.
Raha mahatsikaritra ianareo, manomboka  mihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy afaka ny hiteny izahay hoe ho fongotra ny fitohanan’ny fifamoivoizana fa afaka milaza hoe mihena be izany.  Paikady ny fanesorana amin’ny arabe ireo mpivarotra sy ny fampidirina azy ireo  amin’ny tsena. Tsy maintsy ilàna fiaraha-miasa amin’ireo mpitatitra io.
Resaka lalana indray, efa hanomboka amin’ny herinandro ny fanamboarana ny lalana rehetra ato amin’ny kaominina. Haharitra 15 andro mahery eo izany. Tsy maintsy hiteraka fiovana amin’ny fampiasana lalana io asa lehibe io ka mangataka amin’ny mpampiasa lalana sahady izahay mba hahay hifandefitra.
*Tapitra tsara ny enim-bolana hanatanterahana ny asa, mandeha ny fifidianana ho ben’ny Tanàna. Propagandy mialoha ny fotoana ve izao ataon’ny PDS sy ny ekipany izao?
- Resaka nifanaovanay ekipa rehetra ity. Izahay rehetra, hanao ny asa tsy hieritreritra fifidianana aloha. Satria raha vao mieritreritra izany izahay, tsy afaka hampihatra ny lalàna noho ny fikendrena ny vaton’ny mpifidy. Raha izay anefa no mitranga, hisy hampiharana ny lalàna, hisy kosa ireo ho afaka madiodio. Amin’izao aloha, aleo ny fanadiovana ny tanàna sy ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina eto an-dRenivohitra no himasoana.

Nangonin’i Nadia
Hivoaka ny gazetin’ny kaominina
Hivoaka tsy ho ela ny gazetin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Haparitaka maimaimpoana amin’ireo tokantrano 250.000 eto an-dRenivohitra io gazety io. Tsy ho ela ihany koa dia handeha ny onjampeo sy ny televiziona kaominaly. Anton’ireo rehetra ireo ny  fanapariahana haingana ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona eto Iarivo. Manao antso avo amin’ireo olona afaka miara-miasa aminy ny CUA, hanampy amin’ny fampiofanana ny resaka fahalalana sy fanabeazana.


Reflets de la quotidienneté - Litiges fonciers dans la capitale : des étincelles à craindre
Écrit par Reflet   
Vendredi, 11 Avril 2014 10:10
Les mésententes entre les riverains de certains quartiers de la capitale pourraient être la goutte pour faire déborder le vase, face à un équilibre déjà fragile au sein de la société. A l’heure où les autorités diverses ont du mal à assoir leur notoriété, les citoyens en viennent actuellement à trouver eux-mêmes les solutions à leurs problèmes, ce qui n’est pas pour renforcer le tissus social et la confiance envers dans les dirigeants. Dans les différends, majoritairement des litiges fonciers opposant nouveaux propriétaires et occupants de longue date, chaque partie essaie en effet de trouver la position qui lui convienne, en faisant fi des législations en vigueur qui peinent à être appliquées et même des papiers administratifs en attestation à la vraie nature du procès. D’autres points de vue, ayant depuis toujours fragilisé la société malgache reviennent aussi sur le devant de la scène : histoires d’origines, questions claniques et même de castes qui s’ajoutent à la résolution déjà semée d’embûches du problème. Les exemples ne manquent pas ces derniers mois dans la capitale. La plus récente concerne le parking et l’espace vert de la Seimad respectivement aux 67 hectares et du côté d’Ampefiloha. Concernant le parking, la Société d’équipement immobilier de Madagascar a cédé une partie du terrain à un particulier pour la construction futur d’un hôtel. Cependant, la même Seimad avait prévu quelques années auparavant de faire du même terrain un parking et même d’y transférer les commerçants du marché de Bagdad. Taxé de mauvaise foi, c’est toute une foule qui s’est levée pour contester le projet. Les causes de l’expulsion deviennent ainsi humaines, malgré les documents attestant de l’appartenance de la propriété. Quant à l’espace vert du côté d’Ampefiloha, les riverains maintiennent qu’il s’agit d’un droit élémentaire d’en bénéficier. Des constructions sont pourtant annoncées sur le terrain revenant également à un particulier qui possède les documents nécessaires prouvant que le terrain lui appartient. Et malgré les protestations, les travaux de construction se poursuivent sans encombre, l’appel ne semble avoir eu l’écho escompté. A Ambodivona, le long de la gare routière, un autre litige foncier sévit depuis plusieurs années et n’a toujours pas fait l’objet de solutions par les concernés. Le terrain a été clôturé par son propriétaire, action contre laquelle les commerçants qui occupaient la place ont décidé de manifester.

Tireurs de pousse-pousse : formation pour la conformité à la circulation
Écrit par Reflet   
Vendredi, 11 Avril 2014 10:10

L’initiative a été prise depuis le début des années 2000 dans la Ville d’Antsirabe. Aujourd’hui, les tireurs de pousse-pousse de la capitale doivent eux aussi détenir un permis de travail obligatoire afin d’exercer librement leur métier dans la ville et ses périphériques. Ce sont 125 tireurs de pousse-pousse de la commune d’Andoharanofotsy qui ont été les premiers à bénéficier du projet pour Antananarivo et ses environs. Plusieurs raisons ont été avancées pour justifier la décision. Il y a notamment la nécessité d’une connaissance du code de la route et des signaux de règlementation régissant la circulation mais il est également question de réduire les plaintes à l’encontre des tireurs, déposées par les agents de la commune. Comme pour tout permis de travail, des conditions sont requises pour l’obtention du document notamment par rapport à l’âge minimum, fixé à 18 ans ou encore l’aptitude au travail à l’issue d’une visite médicale réalisée tous les ans. Au préalable, une formation pour améliorer l’exercice du métier a été dispensée à ces tireurs de pousse-pousse. Analphabètes et ignorant tout sens de civisme ou encore des règles élémentaires d’hygiène, il leur a été inculqué des valeurs pour faciliter leur intégration dans la société et de surcroît pour une meilleure considération de leurs services. Dans la commune d’Andoharanofotsy, tout comme à Antsirabe, les pousse-pousse servent au transport de personnes mais aussi de marchandises.
Carte grise et visite technique
La formation des tireurs devrait incessamment être accompagnée par l’obligation d’une immatriculation des véhicules, d’une carte grise délivrée par la mairie et même d’une visite technique annuelle durant laquelle les responsables s’attèlent à la vérification de la suspension, de l’état des pneus et de la propreté du pousse-pousse. Le but est d’attester de la mise en circulation mais aussi de la capacité à assurer les charges pendant les heures de travail. Le système a été adopté depuis les années 2000 toujours dans la Ville d’Eaux afin de faciliter le contrôle et la maîtrise de la circulation par les agents de la commune. Pour Antananarivo-Ville, les pousse-pousse se concentrent dans les marchés particulièrement pour le transport de marchandises. Leur suivi pourrait requérir d’importantes mesures de la part des responsables puisqu’il s’agit une nouvelle fois de bouleverser le quotidien de ces ménages pour rentrer dans la légalité certes, mais avec à l’horizon de nouveaux impôts à payer.

Tri des ordures :une grande sensibilisation en amont
Écrit par Reflet   
Vendredi, 11 Avril 2014 10:10

La mesure a été annoncée par le nouveau directeur du Service autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo (Samva). De nouvelles pratiques pour trier les ordures ménagères devront être incessamment appliquées dans les ménages. Ainsi, les détritus autres que les déchets ménagers devront être brulés par les familles qui les produisent et ne devraient donc pas se retrouver dans les bacs à ordures de la commune. Une sensibilisation est prévue afin d’aider à ce que cette disposition devienne rapidement une habitude. Cependant, la tâche s’avère titanesque puisque le tri n’a jamais été effectué par les ménages dans la capitale. Pour minimiser les jets d’ordures sur la voie publique, des bacs à ordures seront également de nouveau placés dans plusieurs coins de la capitale. Une autre sensibilisation est ainsi attendue, celle de respecter les emplacements qui se trouvent sur les places publiques dans un souci de propreté. La préservation de l’environnement est l’une des raisons principales de la mesure, mais aussi l’asphyxie des centres de dépôts de plus en plus saturés et la difficulté de procéder au ramassage par les agents du Samva malgré les appels à  assistance formulés par la Commune urbaine d’Antananarivo. Une autre révélation du nouveau directeur du Samva concerne la recherche d’un nouveau centre de dépôt. Quatre centres sont actuellement discutés et étudiés pour accueillir les déchets ménagers.

Extension des routes de la capitale : liaison complète RN7/RN2/RN3/RN4 à l’étude
Écrit par Reflet   
Vendredi, 11 Avril 2014 10:10

Une possible extension des voies de circulation de la capitale figure ces derniers mois dans les discussions de salon aux fins de désengorger Antananarivo et ses périphériques. Une communication a été faite en Conseil de gouvernement cette semaine pour rectifier la Loi de finances et y intégrer le budget nécessaire pour l’exécution du projet de prolongation de la Rocade Nord-est d’Antananarivo. En pratique, la liaison complète RN7/RN2/RN3/RN4 porte sur un boulevard circulaire complet pour toute l’agglomération reliant la route du Marais Masay, la RN2 et la route du By-pass. Selon les prévisions, les travaux sont censés commencer au second semestre de l’année prochaine mais la communication faite part de la réalisation de travaux d’expropriation d’abord, avant la mise en œuvre du projet. Nouveau souffle donc pour la circulation dans la capitale qui retrouve à travers ce projet une certaine fluidité face à l’augmentation du nombre de véhicules. Le projet amène pourtant son lot de bouleversements pour ceux qui vivent le long de cet axe de réalisation de la Rocade. En effet, la plupart des lieux destinés à ces infrastructures routières sont occupés par des riverains qui vivent encore majoritairement de l’agriculture.

Soa R.

1 commentaire:

  1. Borgata Hotel Casino & Spa in Atlantic City to Host World
    Borgata Hotel Casino & Spa, a luxury hotel 천안 출장샵 on the Mystic 화성 출장마사지 River in Atlantic City, 성남 출장샵 Casino, poker, and 화성 출장마사지 live events in hotel. 안산 출장샵

    RépondreSupprimer