jeudi 26 septembre 2013

Semaine du 16 septembre // paru dans l'express

AMBOHIPO
Mijaly rano ny mponina
Rano tapaka lava, paompin-drano tsy ampy. Tsy vitan'ny tsy ampy ho an’ny mponin’Ambohipo-Ambohibato, ao amin'ny fokontanin'Andohan'
i Mandroseza, ny paompin-drano miisa roa ao an-toerana, fa mbola tapaka matetika ihany koa ny rano.
« Maharitra ora telo eo ny fahatapahan'ny rano ao anatin'ny iray andro. Rehefa main-tany iny aza dia mihoatran'ny ora efatra any izany. Avo toerana rahateo ety aminay ka tsy mahagaga », hoy Ralisoa Bernadette, tompon'andraikitry ny paompin-drano sy ny toeram-panasan-damba iray eny an-toerana.
Manomboka amin'ny dimy ora maraina ny fisokafan'ny paompy saingy amin'ny efatra maraina dia efa milahatra ny mpatsaka. Mikatona kosa izany amin'ny 12 ora antoandro, ary miverina misokatra indray amin'ny roa tolakandro ary mihidy manodidina ny amin'ny enina ora hariva. Tsy ampy ny mponina intsony anefa izany ora izany ka voatery miasa ivelan'ireo fotoana ireo ny tompon'andraikitry ny paompy rehefa misy olona mangataka, ka indraindray amin'ny 7 ora hariva mihitsy vao mikatona tanteraka.
Ihony Rasolomalala

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire