mardi 5 novembre 2013

Semaine du 28 octobre // paru dans l'Express de Madagascar

Itaosy
Le pont d’Ampasika vandalisé menace des vies

Passer sur le pond d’Ampasika donne du vertige et constituer un danger pour les piétons
Passer sur le pond d’Ampasika donne du vertige et constituer un danger pour les piétons
Les usagers des ponts reliant la capitale à l’Atsimondrano interpellent les autorités. Les actes de vandalisme constituent un réel danger pour les habitants. 
Danger imminent pour les usagers du pont d’Ampa­sika-Itaosy. 
Une dizaine de mètres du parapet du pont, fragilisé par des années d’existence, a été volé. Un acte de vandalisme qui risque de jeter piétons et voitures dans un précipice. Le retour des marchands qui envahissent l’autre côté du trottoir du pont n’arrange 
pas les choses. 
Les piétons qui ont le vertige, sont en effet contraints de marcher sur la chaussée, occupant une partie du pont. Seuls les gens qui n’ont pas ce trouble tentent de marcher sur le trottoir dépourvu de garde-fou. « Si par ma­lheur un accident ou une bousculade survient de ce côté, le bilan pourrait être lourd », déclare Jean Roger Tafitasoa, chauffeur de taxi-be de la coopérative Kofitama.
Mais il n’y a pas que cette partie désossée du pont qui constitue un danger. « Le garde-fou du pont subit un vandalisme généralisé. Les marchands permanents et même ambulants qui y sont installés, jouent, de ce fait, avec la mort et une petite bagarre anodine peut causer une catastrophe », souligne Tefinanahary Rajo­tiana, habitant d’Ampasika.

Longue attente 

Une source auprès de la commune de Bemasoandro indique qu’un rapport sur l’état du pont d’Ampasika a été envoyé à qui de droit. 
« Le ministère des Travaux publics nous a indiqué qu’il allait se pencher sur le sujet. Nous attendons une action concrète depuis des jours », ajoute-t-il. 
En attendant la réhabilitation du parapet, les usagers souhaitent que les marchands libèrent le trottoir. « Ils avaient quitté le pont, mais dès que les forces de l’ordre sont parties, ils y sont revenus. De leur côté, les responsables en quête de popularité en cette période électorale, leur font les yeux doux. Ils seront pourtant les premiers à se retrouver sur les bancs des accusés si une catastrophe se produit sur le pont », indique un autre habitant. 
Cette infrastructure n’est pas la seule qui présente un danger. Les usagers du pont Bailey à Tanjombato interpellent eux-aussi les autorités. « Dès que deux poids lourds roulent sur le pont, nous avons l’impression qu’il bouge. Il est également fragilisé par une série d’actes de vandalisme », proteste un chauffeur de bus de la ligne 137 qui assure le trajet Andoharanofotsy-Analakely.
Vonjy Radasimalala
Diky miparitaka eraky ny tanàna. Ny ankamaroan'ny mponina sahirana ao amin'ny fokontanin’Andravoahangy-atsinanana dia tsy manana lava-piringa, ka manarinary ny malotony eny amin'ny tatatra sy eny an-dàlana rehetra eny.
« Isaky ny manatitra mpianatra amin'ny maraina ny tena dia tena koriko mihitsy mahita ireo diky miampy fako miparitaka etsy sy eroa. Eto akaikin'ny biraon'ny fokontany izany moa dia maimbo ampy tsy azo iainana isa-maraina », hoy ny renim-pianakaviana monina eny an-toerana. Tsy vitan'ny mandoto ny tontolo iainana ihany fa isan'ny miteraka ny fahatsetsenan'ny tatatra ao amin'ity fokontany ity ihany koa.
« Misy ny olona manakarama ireny mpanala maloto ao anaty ny lava-piringany ireny. Ariany ao anaty tatatra izany avy eo », raha ny nambaran-dRalohotsy Richard Jaona, lefitry ny sefom-pokontany. Niaiky anefa izy fa tsy ampy ny fanaraha-maso ny tanàna satria sarotsarotra ihany ny mifehy ny mponina tsy manana lava-piringa. 
Efa akaiky anefa ny fahavaratra ka ahiana ny hiparitahan'ny valan'aretina raha tsy misy ny fandraisana andraikitra.
Ihony Rasolomalala

FANITARANA LALAN-JOTRA
Nifanazava resaka teny Anosy ireo mpitatitra

Naato mandra-pisian'ny marimaritra iraisana aloha ny resaka fanitarana lalan-jotra ho an'ireo mpitatitra
Naato mandra-pisian'ny marimaritra iraisana aloha ny resaka fanitarana lalan-jotra ho an'ireo mpitatitra
Nifanazava resaka mahakasika fanitarana lalan-jotra teny amin'ny minisiteran'ny Fitaterana omaly ireo mpitatitra an-drenivohitra sy ivelan'ny renivohitra.
Samy niady ny tombontsoany. Nanoloana ireo olana nitranga mahakasika ny fampiharana fanitarana lalan-jotra teo amin'ireo kaoperativa sasany teto an-drenivohitra dia tonga nifanazava resaka mahakasika izany teny amin'ny minisiteran'ny Fitaterana Anosy omaly ireo mpitatitra miasa an-drenivohitra sy ivelan'ny renivohitra voakasik'izany. 
Ny fiangarana amin'ny fanomezana alalana mampihatra fanitarana lalan-jotra no tena nisongadina tamin'izany fifampiresahana teo amin'ny samy mpitatitra izany. « Zavatra mampalahelo anay ny tsy mbola hisian'ny fankatoavana na fanomezana alalana anay hanitatra lalan-jotra na dia efa tamin'ny volana novambra tamin'ny taon-dasa aza no nampanantenana anay izany. Izao dia lasa ireo mpitatitra an-drenivohitra indray no mahazo sy mampihatra izany ao anatin'ny fotoana fohy », raha ny alahelo naborak'ireo mpitatitra miasa ivelan'ny renivohitra nandritry ny fifampiresahana natrehan'ny tompon'andraikitry ny minisiteran'ny Fitaterana. 
« Matoa izahay mampihatra ny fanitarana lalan-jotra amin'ny fandraharahana ataonay dia ara-dalàna tsara izany fa tsy sanatria filam-baniny amin'ireo namana mpitatitra hafa. Ny tsy fiampitan'ny serasera amin'ireo tompon'andraikitra ambony no lesoka », hoy kosa Randrianarison Lanto, filohan'ny kaoperativa Mirindra, isan'ireo zotra miasa an-drenivohitra vao nampihatra fanitarana lalan-jotra vaovao.

Fanitarana naato

Manoloana ny mbola fitohizan'ny fifampiresahana eo amin'ireo mpitatitra an-drenivohitra sy ivelan'ny renivohitra ireo dia mbola naato vonjimaika aloha ny fanitarana lalan-jotra. « Mba hampilamina ny savorovoro misy sy mbola fitohizan'ny fifampiresahana eo aminay samy mpandraharaha mpitatitra dia najanona kely aloha ny fampiharana ilay fanitaran-dalana nataonay. Ny fanovana ny lahatsoratra mahakasika ny asa fitateram-bahoaka izay tsapa fa tsy mifanaraka intsony amin'ny toetry ny andro sy ny filan'ny vahoaka no samy andrasanay mpitatitra fa ho vahaolana amin'izao », hoy ihany Randrianarison Lanto. 
« Manantena ny hivoahan'ny marimaritra iraisana avy amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny manoloana ny olana misy eo aminay izahay », hoy kosa ny tsirim-panantenana nivoaka tao am-pon'ireo mpitatitra miasa ivelan'ny renivohitra. Nanoloana izany rehetra izany dia nijanona ho mpihaino sy mpandamina ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny Fitaterana nanatrika io fifampiresahan'ny samy mpitatitra io.
Volana Rakotoharimanana

FITATERANA
Tsy niditra  ny renivohitra ny zotra D

Tsy hita tampoka. Tsy tazana niasa amin'ilay làlan-jotra vaovao mihazo ny faritry ny renivohitra intsony, tato anatin'ny herinandro vitsy, ny zotra D mampitohy an'Ivato sy Vasakaosy ao amin'ny kaoperativa Fanantenana. Niteraka fahasorenana teo amin'ny mpanjifa efa nanomboka zatra ny zotra izany. 
« Mba nanala fahasahiranana anay ny fisian'io zotra io, satria tsy nila nifindrafindra fiara dia tonga any amin'izay aleha. Tsy hita intsony anefa izy ireo ka miverina amin'ny taloha indray ny fiainanay. Angamba ho natahotra fitohanana izy ireo no tsy nandalovany taty aminay », raha ny nambaran-dRandriam­parany Gabriel, raim-pianakaviana iray monina eny Ambohimanarina.
« Fandaminana amin'ny hampitomboana isa ny fiara hiasa ka tsy hampaharitra ela ny fijanonan’ny fiara eny amin'ny toeram-piantsonana no nanajanonana kely ny zotranay miditra amin'ny faritry ny renivohitra fa tsy fanahy iniana akory. Tsy ampy ho an'ireo mpanjifa ny fiara roa izay nampiasaina ka efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy momba izany izahay ankehitriny », hoy ny fanazavana nasetrin'Andria­mihaja Toky, filoha lefitry ny kaoperativa Fanantenana ao amin'ny zotra D. 
Am-polony eo ho eo ny fiara anampiana ireo roa efa niasa ary amin'ny volana novambra no hiverenan'io zotra D io hamakivaky indray ny renivohitra.
Volana Rakotoharimanana

FIHARIANAAfisy amidy amin'ny kilao

Avalona sy fatorana ireo peta-drindrina avy nanaovana fampielezan-kevitra vao lanjaina izay vao vidiana
Avalona sy fatorana ireo peta-drindrina avy nanaovana fampielezan-kevitra vao lanjaina izay vao vidiana
Azo ampiasaina itadiavam-bola ny peta-drindrina nanaovana fampielezan-kevitra mameno tanàna ankehitriny. Misy mividy amin'ny kilao izany.
Fitadiavana tsy eritreretin'ny saina. Misy mividy amin'ny kilao eto an-drenivohitra ireo peta-drindrina nanaovana fampielezan-kevitra, na dia efa rovitra aza. Manomboka amin'ny 600 ariary araka ny mbola hatsaran'ireo taratasy sy ny habeny no ividian'ny mpanangona izany. 
« Maro no antony ividiananay ireo peta-drindrina fampielezan-kevitra ireo. Maro no mitady an’ireny ka mividy azy ambongadiny. Anisan’izany ny orinasa madinika mpanadio sy mpamokatra taratasy na mpanondrana izany any ivelany, ny mpandoko fiara, ny mpanamboatra fitaratra, sns », raha ny filazan-dRabari­noelina Eddy, izay nanomboka nivelona tamin'io asa hafakely vaovao io iray volana izay. 
Tsy manana toerana manokana anaovany ity asa ity izy sy ireo namany fa miasa amin'ny alalan'ny antso amin'ny finday. « Efa miparitaka any ny laharana finday ahazoana anay. Amin'ny alalan'izany no ifanaovanay fotoana amin'ireo olona manana entana ary efa mivonona mizana fandanjana sy amin'ny fiara itondrana izany izahay », raha ny fanazavan’ireo mpividy peta-drindrina nanaovana fampielezan-kevitra.
Mahazo betsaka
Tsy araka ny maha-asa vaovao azy ity fividianana peta-drindrina amin'ny kilao ity fa tena mandeha be tokoa. Manodidina ny 40 hatramin'ny 50 kilao isaky ny roa andro no voaangon'ireo mpanao izany nandritra ny tapa-bolana nanombohany, ary efa mahatratra hatrany amin'ny 60 hatramin'ny 100 kilao izany ankehitriny. Tombom-barotra avy telo hatramin'ny efatra heny no azony amin'izany. 
Misy ihany anefa ny fepetra apetrak'izy ireo mialohan'ny handraisany ireo peta-drindrina fampielezan-kevitra ireo. « Ny taratasy hita fa avy norovitina sy nipetaka tamin'ny rindrina ihany no raisinay fa tsy taratasy mbola madio be tsy misy na inona na inona. Misy ihany koa ny taratasy fifanekena ifanarahanay amin'izay olona mivarotra ny peta-drindrina aty aminay ka soniavinay roa tonta mba tsy hisian'ny arakaraka », hoy hatrany Rabarinoelina Eddy. 
Raha ny nambarany ihany dia asa mandalo izy ity kanefa afaka anangonana vola itsinjovana ny vody andro mierika.
Volana Rakotoharimanana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire